Zoma 9 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý?
Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja
izay miantso ny namany, ka manao hoe:
Nitsoka sodina taminareo izahay,
nefa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay,
nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro,
nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy.
Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro,
lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io,
sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina
mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra.
Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...