Alatsinainy 12 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 23-27

Tamin’izany andro izany,
rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao?
ary iza no nahazoanao izany?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo;
ka raha voavalinareo izany
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany?
avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?”

Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:

“Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra,
dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo?
Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray,
ny vahoaka kosa no atahorantsika,
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho koa àry,
dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...