Talata 13 desambra 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Fiavian'ny Tompo — Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy; miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”

Hoy ireo:

“Ny lahimatoa”,

dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...