Talata 18 febroary 2020 — Herinandro fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 14-21 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

0 : 00

Tsy zavatra mandalo ihany akory izay nataon’i Kristy fa misarika ny saintsika mandrakariva handeha lavidavitra kokoa, dia ny tsy hankafizantsika ny zavatry ny tany fa hikatsahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ireo famatarana sy fahagagana nataon’i Kristy dia  maneho ny Fanjakan’Andriamanitra izay efa tonga miaraka amin’ny fahatongavany eo amin’izao tontolo izao. Noho izany misy hafatra mandrakariva izay asehony sy ataony ary ny mpianany no tiany hahazo izany voalohany.

Tsikaritr’i Kristy eto ny fakam-panahy mety hahazo ny mpianany ka andraràny azy ireo mialoha, dia ny fomban’ny farisianina sy i Herôda, mitady famantarana, mionona amin’ny zava-mandalo, manao an’Andriamanitra ho fitaovana fotsiny ihany, io ilay lalivain’ny Farisianina sy i Herôda, miandry Mesia ara-politika sy ara-nofo fotsiny. Io foto-pisainana farisianina sy herodianina io no sakana tsy ahazoan’ny mpianatra ny lafiny ara-panahy amin’ny asa sy ny fampianarana tanterahan’i Kristy. Ny tsy mpino no mikatsaka ny zavatry ny tany fa izay manaradia an’i Kristy kosa dia matoky manana Azy ary mikatsaka izay misy Azy, dia ny fiainana mandrakizay; ka ny voalohany imasoany amin’izany dia ny hampanjaka Azy tanteraka sy ny miezaka ho mendrika Azy mandrakariva.

Mampandinika antsika amin’ny antony ivavahana sy itodiana amin’Andriamanitra eto io fandraràn’i Kristy ny mpianany io: ikatsahana marina an’Andriamanitra ve sa ny mba ahazoana izay ilaina fotsiny ihany? Ary izay nataon’i Kristy, ambara amintsika ombieny ombieny: zavatra mandalo fotsiny ihany ve sa mba mampatoky antsika Azy Andriamanitra?

Enga anie isika ho lavitry ny fomba sy toetra farisianina, izay donto ka mba tsy afaka ny hanova toetra sy famindra manoloana ny asa sy ny fampianaran’I Kristy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...