Alakamisy 29 desambra 2022 — Andro fahadimy amin'ny Havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35

Ny nanolorana an’i Jesoa tao an-tempoly no Evanjely iarahantsika mifampizara amin’ity anio ity. Nanaraka izay voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo hoe

“ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”

ireo ray aman-drenin’i Jesoa.

Rehefa jerentsika akaiky ity Evanjely ity, dia ahatsapantsika fa ny fihainoana an’Andriamanitra no maneho ny finoantsika Azy. I Simeôna eto, ilay lehilahy nihaino ny Tenin’Andriamanitra, izay nibitsibitsika tao am-pony. Nandritra ny fiainany i Simeôna dia naniry ny hahita sy hahatsapa Ilay Tenin’Andriamanitra. Ny finoany sy ny faharetany dia indro fa tanteraka aminy eto ny faniriany. Fa sady nahita an’i Jesoa Teny Tonga nofo izy no nandray Azy teo an-tanany ka nino. Tsy Teny fotsiny Andriamanitra. Fa tonga nofo mba ho hitan’izao tontolo izao.

Ry havana, rehefa natolotry ny ray aman-dreniny tao an-tempoly i Jesoa zazakely, dia i Simeôna no niditra tao an-tempoly, feno ny Fanahy Masin’Andriamanitra. Fa ankehitriny kosa dia isika tsirairay no tarihin’ny Fanahy Masina ka afaka mizara ny hafaliantsika nahita sy nandray an’i Jesoa teraka ho antsika, ilay Tenin’ny Fiainana. Ankehitriny dia miditra ao an-tempolin’ny fontsika Ilay Teny Tonga nofo, mba hanazava ny fiainantsika. Porofom-pitiavan’Andriamanitra antsika no nanirahany ny Zanany haka nofo toa antsika. Te-hizara ny fahazavany amintsika Izy mba hahatonga antsika ho voaary vaovao ao aminy.

Nambaran’i Simeôna tamin’ny tononkirany teo fa ity Zazakely natolotra tao an-tempoly ity dia sady ho voninahitr’Israely olony no koa hizaka ny fijaliana hahatra aminy. Naminany i Simeôna fa

“ity zaza ity dia voatendry ho fandavoana sy fananganana ny maro amin’Israely”.

Izany hoe ho famantaram-pizarazarana. Tsy sitrak’Andriamanitra ny hizarazarantsika, fa ny fandraisantsika na tsia an’i Jesoa ao amin’ny fiainantsika, no mahatonga ny fitsitokotokoana. Entanin’ny toe-tsain’ny Noely àry isika, ka miezaka miala amin’ny haizin’ny fahotana mba ho amin’ny fahazavan’ilay teraka ho antsika. Ka raha te hahazo ny fanjakan’Andriamanitra isika, dia raiso eo an-tanantsika, fihino eo an-tratrantsika i Jesoa hanazava ny fiainantsika. Fa raha mbola tsy mahatsapa ny fisian’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika isika, dia mbola voagejan’ny zavatry ny tany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...