Zoma 20 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19

Ndeha àry hofantarintsika ny hevitra fonosin’ny nifidianan’i Jesoa Kristy ireo apôstôly roa ambin’ny folo. Mila mpiara-miasa i Kristy, hampandeha ny iraka nampanaovin’ny Ray azy. Asaina ihany koa isika hahay hiara-miasa amin’ny hafa fa ny mita be tsy lanin’ny mamba ary asa vadi-drano ny fiainana ka tsy vita raha tsy hifanakonana.

Nifidy izay tiany i Jesoa Kristy. Izy no miantso sy mifantina. Indrisy anefa fa tsy afaka mifidy izay tiantsika hiara-miasa amintsika isika. Izany akory tsy midika hoe olona mendrika avokoa no nofidian’i Jesoa ka tena handeha tokoa ny asa sy iraka ampanaovina azy. Porofon’izany ry i Jodasy Iskariota, lasa namadika azy ; ry Piera nandà Azy rehefa may ny hendim-boanjony ; ireo apôstôly sasany nitsoaka rehefa tojo ny mafy. Toy izany ihany koa no ataon’i Jesoa amintsika, satria Izy mihitsy no manolotra amintsika izay hiara-miasa amintsika ; Izy no mifidy izay hiara-monina amintsika ao amin’ny communauté. Fa inona anefa no tokony hatao ?

“Nifidy hiaraka aminy Izy”, hoy ihany, i Marka evanjelista. Izany hoe antsoin’i Jesoa hiara-monina aminy aloha izy ireo. Antsoiny hovolavolaina amin’alalan’ny fomba fiainany ; antsoiny hifankahafantatra aminy bebe kokoa. Hafatra lehibe ho antsika izany : tsy ampy ny miara-miasa, fa zava-dehibe ny fifankahafantarana bebe kokoa ary ao anatin’izany ny fifanitsiana amim-pirahalahiana, fifanotronana sy fifandeferana. Mitaky fahavononana avy amin’ny tsirairay izany.

“Mba hirahiny hitory sy nomeny fahefana handroaka ny demony”. Fototry ny fahombiazan’ny asam-pitoriana ireo voalaza teo ambony ireo. Fototry ny fahombiazan’ny relijiozy sy ny orinasa amin’ny asa ataony ny fiombonana aina. Voavolavolan’izany ny toe-tsainy ka afaka miatrika ny asa aman-draharaha izy ireo avy eo.

“Roa ambin’ny folo ny isany ary nomeny anarana tsirairay avy izy ireo”. Tsy hoe anaram-bositra araka ny mahazatra antsika any amin’ny toeram-piasana na tranon-drelijiozy sy ny seminera no tiana holazaina etoana, fa milaza ny fiovan-toetra, fiovam-penitra makany amin’ny tsaratsara kokoa. Olom-baovao isika satria voavolavolan’ny fiaraha-miaina, fiaraha-misalahy, fifanitsiana sy fifanampiana, ka tsy mitovy teo aloha intsony.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...