Sabotsy 21 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy 3, 20-21

Fijerin’ny olona an’i Jesoa tsy mitsahatra manao soa no lazain’i Evanjely eto. Fijery avy amin’ny fianakaviany ary fijery hafa kely, satria fiheverana fa adala i Jesoa havany, satria manadino misakafo fa revon’ny fitorian-teny sy fanasitranana atsy sy aroa.

Betsaka amintsika ankehitriny no tratran’izany. Toa heverina ho hadalana ny fanaovan-tsoa ankehitriny tratran’ny atero ka alao. Heverina ho henatry ny fianakaviana ny fahitana ny havany mitory teny soa, mananatra ; mampihavana ireo miady ao anatin’ny fianakaviana. Toa lasa lamaody indray ny fanaratsiana, fifosana. Manintona ny mpanara-baovao sy ny mpamaky gazety ny asa ratsy sy habibiana ankehitriny. Firifiry moa ireo olona liana manaraka ireo sarimihetsika mahakasika ny Abbé Pierre, Masimbavy Terezy tany Calcutta ankehitriny ?

Manana adidy isika ny hanao soa ary ampirisika ny zanaka hianatra hanao soa dieny izao, fa izany no ahafahantsika manome fanantenana azy ireo fa mbola ho tsara kokoa noho izao ny ho aviny raha toa ka samy manao soa avokoa isika rehetra.

Fa mampahatsiahy antsika hevitra anankiray hafa ihany koa ity tantara ity, satria toa hoe mila manao soa amin’ny fianakaviany irery ihany i Jesoa ka heverina ho hadalana ny fanaovan-tsoa ho an’ny hafa. Tsy izany ve ny teny azontsika tsindraindray : “fa inonao moa izy io no ampianao ?” ; “ny Jody aloha izay vao ny jentily”. Mahatonga ny sasany hanaonao foana izany satria lasa fanampiana natokana ho an’ny fadiranovana sy tra-boina avy no lasa ny fianakavian-drangahy no nisatraka azy mialoha.

Mila adala tahaka an’i Jesoa isika tsindraindray, fa izany no ahafahantsika manova an’izao tontolo izao ho tontolo azo iainana, ho tontolo mifanaraka amintsika olombelona ; ho tontolon’ny fahamarinana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...