Alahady 12 febroary 2023 — Alahady Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona A — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)

Ry kristianina havana, manohy mamaofivaofy amintsika ny tokony hiainantsika ireo hasambarana valo, izay hatsaram-panahy fototra tokony hananantsika kristianina i Jesoa, amin’ny fampianarany eo an-tendrombohitra. Tamin’ny herinandro lasa teo no nampianarany antsika fa isika dia tokony ho fanasina sy fahazavana eo anivon’izao tontolo izao, noho ny batemy noraisintsika. Izao indray dia ambarany fa tonga izy, tsy handrava ny lalàna, dia ny Lalàna sy ny Mpaminay nosoritan’ny Fanekem-pihavanana Taloha, fa hanatanteraka sy handavorary aza, ka mitondra zava-baovao amin’izany ho antsika. Amin’ny alalan’ireo fanavaozana entin’i Jesoa, ka tokony hiainantsika ireo, no ahafahantsika manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny iriny amintsika. Famakafakana feno sy vaovao ny fototry ny lalàna sy ny Mpaminany no ataon’i Jesoa, hanatanterahany ny iraka ampanaovin’ny Ray Azy. Teboka efatra àry, no asongadiny amin’ity Evanjely naroso ho antsika teo ity, ka hiezahantsika hanitsiana ny fiainantsika : ny famonoana olona, ny fijangajangana, ny fisaoram-bady ary ny fianihanana tsy to.

Azontsika hiverenana vakina ilay Evanjely teo, mba hahazoantsika tsara ny tiany ambara. Raha ataontsika indray mihaino fotsiny manko izay voalazany, dia toa misy zavatra mifanohitra indraindray ka mahatonga antsika mety hieritreritra hoe, izany ve i Jesoa dia tsy mandrava fa manatanteraka. Ny tanjon’i Jesoa anefa, mamaofivaofy amintsika ireo Lalàna sy Mpaminany ireo, dia ny hiainantsika ny fitiavana satria izy ihany no mampianatra antsika ny didim-pitiavana, izay fehin’ny Lalàna. I Masindahy Paoly, dia manamafy izany amin’ny ny fampianarany hoe, ny fitiavana no fahatanterahan’ny Lalàna. Araka ireo famoaboasana ny Lalàna ataon’i Jesoa amintsika ireo, dia tsy ampy ny mijanona fotsiny amin’ny andidian’ny Lalàna antsika tsy hatao, fa mila mandeha lavitra isika noho izy hiainana ny fitiavana. Izay mantsy ny antony maha sarotra ny mitia sy miaina ny tena fitiavana marina. Tsy foana akory araka izany ny didin’Andriamanitra, fa ireny no toy ny “balise” manampy antsika tsy hihoatra ny fefy, ka ahafahantsika manatanteraka ny sitrpon’Andriamanitra, dia ny hampanjaka ny fitiavana. Raiso àry, ireo fampianarana aroson’i Jesoa ho antsika androany ireo, ka iaino fa hanampy antsika hanana ireo hasambarana valo nitarihany ny saintsika tamin’ny fanombohany nampianatra teo an-tendrombohitra izany.

Jesoa Tompo ô ! Fototry ny ny fitiavana ny Ray naniraka Anao, ary mizara izany fitiavana izany maimaim-poana aminay, koa mihanta aminao izahay, omeo hery ary tohano mandrakariva amin’ny Fanahy Masina, mba ny hampanajaka io fitiavana io no hokendrenay mandrakariva ka hanananay azy be sy manan’amby ampy, hozarainay amin’ny hafa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...