Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Sir. 15, 15-20)

Tsy nisy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana.

Raha sitra-ponao dia hitandrina ny didy ianao;
miankina amin’ny sitraky ny fonao, ny tsy mivadika.
Nataony eo anoloanao ny afo sy ny rano,
azonao atsotra amin’izay tianao ny tananao.
Eo anoloan’ny olombelona ny fiainana sy ny fahafatesana,
ka izay fidìny dia homena azy.
Fa lehibe ny fahendren’ny Tompo;
sady mahery Izy no mahefa, ary mahita ny zavatra rehetra.
Ny masony dia eo amin’izay matahotra Azy,
ary fantany avokoa ny asan’ny olombelona.
Tsy misy olona nodidiany ho mpankahala fivavahana,
tsy misy olona nomeny lalana hanota.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo (Sal. 118, 1. 2. 4-5. 17-18. 33-34)

Sambatra izay mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo.

Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny Lalàn’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny Fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!

Ianao ihany no namoaka ny Lahatrao
mba hotandremana fatratra.
Enga anie ho marin-toetra ny lalako
amin’ny fitandremana ny Fitsipikao!

Asio soa ity izaho mpanomponao:
ka ho velona sy hitandrina ny Teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao!

Tompo ô, toroy ny lalan’ny Fitsipikao aho,
mba hitandremako azy hatramin’ny farany.
Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao,
sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 2, 6-10)

Notendren’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao, hampahazo ny voninahitra antsika, ny Fahendreny.

Ry kristianina havana,
mitory fahendrena amin’izay efa lavorary ihany izahay;
nefa tsy mba ny fahendren’izao tontolo izao izany,
na an’ny mpanjakan’izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;
fa fahendren’Andriamanitra no torìnay,
dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina,
izay voatendrin’Andriamanitra talohan’izao tontolo izao
hampahazo voninahitra antsika;
ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanjakan’izao tontolo izao
(satria raha nahalala izy,
dia tsy ho namantsika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny Hazofijaliana);
fa izany dia anisan’ireo zavatra voasoratra hoe:

Zavatra mbola tsy hitan’ny maso na mbola ren’ny sofina,
na mbola tafiditra tao am-pon’ny olona velively
no namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.
Tamintsika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahiny;
satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy,
na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany;
tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka.
Fa lazaiko aminareo marina tokoa,
fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany,
dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia iray
na tendrin-tsoratra iray akory aza,
mandra-pahatanterak’izy rehetra.
Koa amin’izany,
izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo,
ka hampianatra ny olona toy izany,
dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra;
fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa
dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrìna;
ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny namanao
vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra,
ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.
Koa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao,
dia esory izy ka ario lavitra anao,
fa aleo zavatra iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao,
dia tapaho ka ario lavitra anao,
fa aleo rantsam-batana iray amin’ny tenanao no very,
toy izay ny tenanao manontolo no ariana any amin’ny gehen’afo.
Ary koa efa voalaza hoe:

Na iza na iza hisaotra ny vadiny,
dia aoka hanome azy ny taratasy fisaorana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra misao-bady, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
dia mampijangajanga azy;
ary izay hanambady ny voasaotra dia mijangajanga.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy;
na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy;
na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny Mpanjaka lehibe izy;
na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty
na dia singam-bolo iray akory aza ianao.
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao.
Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-22a. 27-28. 33-34a. 37)

Raha izany no nolazaina tamin’ny Ntaolo, izao kosa no lazaiko aminareo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko aminareo,
fa raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna
sy ny Farisianina ny fahamarinanareo,
dia tsy hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra akory ianareo.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny Fitsarana.

Efa renareo fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mijangajanga.

Fa Izaho kosa milaza aminareo
fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy,
dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.

Ary efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe:

Aza mianiana tsy to, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.

Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory,
Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia;
fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...