Alarobia 1 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

Ry mpihaino hajaina, anisan’ny ivon’ny vanim-potoanan’ny karemy ny fiantsoana hibebaka. I Jesoa manoloana ireto vahoaka betsaka nitangorona dia nahateny azy ireo hoe: “Taranaka ratsy ity taranaka ity, mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jonasa mpaminany”. Nahateny izany i Jesoa satria hitany sy tsapany fa ireto olona marobe ireto dia tsy mbola tapa-kevitra hibebaka raha tsy mahita famantarana mahatalanjona mampiseho fa i Jesoa no ilay Mesia nandrasan’ny maro. Izany hoe ireto olona manatona azy ireto dia tsy mino azy. Ho anao izay mihaino izao onjam-peo izao ary mbola hiandry fotoana ve vao hanapa-kevitra hibebaka? Mbola hiandry fahagagana ve vao hibebaka?

I Jesoa izay tsy nampiseho fahagagana na zava-mahatalanjona tamin’ireto vahoaka ireo na dia niandry izany aza izy ireo fa hoy izy hoe: “Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jonasa mpaminany”. Famantarana lehibe no niseho tamin’i Jonasa, tamin’izy izay natsipy tany anaty ranomasina, natelin’ny hazandrano nandritra ny hateloan’andro sy hateloan’alina fa naloan’ny hazandrano rahefa avy nivavaka. Moa tsy tandindona sahady amin’ny fitsanganan’i Jesoa amin’ny fahafatesana izany? Nibebaka avy hatrany ny olona noho ny toritenin’i Jonasa, fa hoy i Jesoa: “Nefa indro fa misy mihoatra noho i Jonasa eto”. Tsy misy fahagagana lehibe mihoatra ny fitsanganan-ko velon’i Jesoa Kristy. Tsy fahagagana hafa no torìna amintsika fa mbola hambara amintsika mandraka androany, fa i Kristy dia maty ary nitsangan-ko velona. Izay mino azy dia hanana ny fiainana mandrakizay. Fibebahana lehibe ny finoantsika izany. Ny nijalian’i Jesoa sy ny nahafatesany dia famantaram-pitiavana lehibe. Tsy misy mihoatra noho izany ny tena famantarana na dia teo aza ny fahendren’i Salomona sy ny fahaizan’i Jonasa. Ao amin’i Jesoa no tanteraka ny zavatra rehetra, ao aminy ny famonjena, ao aminy no tanteraka ny fanjakan’Andriamanitra, tsy misy hafa andrasana intsony. Ivelan’i Jesoa, tsy misy famonjena. Raha Izy àry no raisintsika ho famonjena, aoka tsy hiandry fotoana intsony. Minoa azy fa izy ilay famantaram-pitiavan’Andriamanitra eo anivontsika. Ny fibebahantsika àry, dia manova antsika haka tahaka azy eo anivon’izao tontolo izao.

Ry Jesoa zokinay ô, famantaram-pitiavana lehibe loatra ianao, ampitomboy ny finoanay ary omeo hery izahay mba ho afaka hanova tanteraka ny ao anatinay ka tsy ho menatra ny mitondra ny famantaram-pitiavanao masina dia ny lakroa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...