Alatsinainy 6 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 36-38)

Ny toetran’Andriamanitra mpamindra fo no irian’i Jesoa halaintsika tahaka raha mihevitra ny mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana sy be hatsaram-po amam-pahamarinana. Ny mamindra fo dia midika fa tsy vitan’ny mangoraka fotsiny, fa mijaly amin’ny fijalian’ny hafa koa kanefa ny tsy fanekena ny sitrapony no mampijaly io olombelona io. Tsy ny fahafatesan’ny mpanota no sitrany fa ny fibebahana mba ahavonjy azy.

Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny lalàn’ny famindram-po, izay te hiaina izany, dia mila miala amin’ny fitsaratsaram-poana sy ny fanamelohana ny tsy manan-tsiny, mianatra mamela heloka sy mizara. Ambaran’i Osea mpaminany, fa tsy afaka handao ny vahoakany Andriamanitra amin’ny maha Andriamanitra Azy, honena ny fony ary tsy haneo ny hatezerany izy (Osea 11, 7-8). Ny zanak’Andriamanitra mino an’i Kristy, tafatsangan-ko velona, dia miezaka manao soa na amin’iza na amin’iza, satria izany no fomban’Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina anie, hanampy antsika hibebaka marina tokoa ka hahatsapa ny voka-dratsin’ny ota sy hankahala ny fahotana, hitady izay fomba hanasoavana ny olombelona rehetra, indrindra ny mpanota mila ny famindram-po bebe kokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...