Zoma 10 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)

Nisy tompona tanim-boaloboka hoy i Jesoa, namefy manodidina sady nandavaka tany (misahirana) hanaovana famihazana kanefa isaky ny taom-pamokarana rehefa mandefa ny ankizilahiny handray ny vokatry ny tanim-boalobony ilay tompony dia vono sy tora-bato no nasetrin’ny mpiasa ireo iraka, nalefany tany hatramin’ny zanany kanjo famonoana no nasetriny mba hahazoana ny lova, dia novonoiny tany ivelan’ny tanim-boaloboka ilay zanaka lahitokana, dia hamaly faty ve Andriamanitra. Tsy ny handringanana ireo mpiasa ratsy ireo no hiasan’Andriamanitra loha fa ny hampamokatra ny fanjakany; tsy hamaly faty Andriamanitra fa mitady ny fomba ahafahany manavotra ny zanany rehetra, ny zanany no nirahiny mba hizaka ny vokatry ny fahotana (fifamonoan’ny mpirahalahy).

Lazain’i Jesoa mazava anefa fa raha tsy mahay manararaotra ny fahasoavana homen’Andriamanitra isika dia isika ihany no hamery ny tenantsika satria homeny firenena hafa hampamokatra azy ny tanimboalobony.

Ambaran’ny Salamo 104 fa tokony ho ventesina mandrakariva ny hatsarampon’Andriamanitra, ary raha haintsika ny miaina amim-pitiavana ny zavatra tsy andrariny mety hahazo antsika, dia hain’Andriamanitra kosa ny mampiasa izany ho tonga fitaovana hanitarany ny fanjakany. I Jesoa koa namidy ary novonoina no tonga Tompo sy Kristy satria fiainana tsy manam-pahataperana ho antsika.

Hahay hampamokatra ny fahasoavana ankinin’Andriamanitra amintsika anie isika. Mandefa ny mpanompony izy hitaky izany vokatra izany ka tsy sanatria hanidy ny fontsika isika. Tsy ho sanatria kapoka sy tora-bato no havalintsika izay mangataka fiantrana amintsika. Irak’Andriamanitra izy ireny mba hizara amintsika sy hizarantsika ny fahasoavana indrindra amin’izao andron’ny Karemy izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...