Sabotsy 18 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)

Tantara fanoharana mirakitra endri-bavaka iray ity entin’i Jesoa mampianatra antsika mivavaka. Roa lahy niakatra hivavaka tany an-Tempoly : samy resy lahatra fa mihaona amin’Andriamanitra ao ary mitombo fahamasinana, mandray ny famonjena. Zava-dehibe ny fandalovana matetika ao am-piangonana, mamangy Sakramenta Masina sy manaja ny Lakroa masina.

Tsy maintsy ovaina tanteraka ny toetra, tsy maintsy mibebaka marina rehefa hanatona an’Andriamanitra. Lasa fombafomba fotsiny ny mandeha am-piangonana raha tsy manova inona eo amin’ny fiainana ny fihaonana amin’Andriamanitra. Ny tena loza dia ny mandesoka sy manaratsy ny hafa hanatsarana ny tena, ny mihevi-tena ho zavatra, ny mizahozaho. Mila manetry tena satria izay manetry tena no hasandratra. Takonan’ny fieboeboana ny tsara rehetra vita.

Ny fanetren-tena kosa dia hatsaram-panahy lehibe ankasitrahan’Andriamanitra. Ny manetry tena tsy hoe manaratsy tena fa mametraka an’Andriamanitra sy ny namana eo amin’ny toerana mendrika azy sy mipetraka eo amin’ny toerana sahaza ny tena. Tsisy olo-marina sy mendrika fa amarinin’Andrimanitra sy vonjeny maimaimpoana daholo. Samy mila fibebahana mitohy. Ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra tsy hanadra-tena, tsy hanaratsy ny hafa fa samy hikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...