24 aprily 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nahita Ahy ianao ka mino, fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 22-29)

Nitady an'i Jesoa ny vahoaka ny ampitson’ny fampitomboana ny mofo. Ny antony nitadiavany Azy dia satria nihinana ny mofo izy ireo ka voky fa tsy noho ny fahagagana izay nataony loatra.

Avahan'i Jesoa àry eto ny hanina izay mety ho levona sy ny hanina maharitra mandrakizay. Isika olombelona tokoa mantsy matetika dia revo amin’ny asa izay hahazoantsika sakafo mety ho levona. Ataontsika ambony noho ny fiombonam-bavaka ny asa aman-draharaha. I Jesoa anefa tsy manameloka mihitsy ny hiasantsika ho an’ny nofo, fa tiany koa isika hiasa mba hahazo ilay sakafo maharitra ho an’ny fiainana mandrakizay. Inona àry izany asa izany? Ny asa dia ny mba hinoantsika an’Andriamanitra Ray, izay manome ny fiainana mandrakizay sy ny mba hinoantsika an’ilay nirahiny dia i Jesoa Zanany. Ao anatin’ny Sakramentan’ny Eokaristia àry no hahazoantsika ny mofon’ny fiainana.

Ny finoana an'i Jesoa àry no hahafahantsika manatanteraka ny sitrapon’ilay Andriamanitra Ray. Ny finoana Azy dia tsy hoe mahafantatra fotsiny hoe misy Izy na hoe zanak’Andriamanitra Izy, fa mila miombom-po sy miombom-piainana miaraka Aminy mba hahafahantsika manatanteraka izay nolazainy. Koa mangataha amin'izy Tompo àry isika, mba ho velominy an’ilay mofon’ny fiainana izay maharitra mandrakizay. Hoy mantsy Izy hoe: “Izay manantona Ahy tsy mba ho noana intsony ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay”.

Tompo ô, sokafy ny fonay mba tsy hiraikitra amin’ny zavatry ny tany, fa ny soa maharitra mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...