30 aprily 2023 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — Taona A — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Ry kristianina havana, ity herinandro ity no natokan’ny Eglizy hankalazantsika ny Mpiandry ondry tsara, ka saika manambara izany avokoa ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana amintsika mandritra ity herinandro ity. Tsy vaovao ao an-tsofintsika, eny fa na ireo Jody tamin’ny andron’i Jesoa aza, ny teny hoe “Mpiandry ondry”, ary ambaran’i Jesoa fa Izy, ary Izy irery ihany no mpiandry ondry tsara. Ao amin’ny Eglizy dia ny Papa sy ny Eveka no mpiandry ondry, ary isika vahoakan’Andriamanitra no ondry andrasany fa mamaritra ny maha Izy azy an’i Jesoa kosa ilay hoe “Mpiandry ondry tsara”. Raha Izy àry no Mpiandry ondry tsara, dia Izy koa no vavahadin’ny ondry. Mpangalatra, hoy Izy, androany izay tsy miditra amin’ny Vavahady. Ny Testamenta Taloha manontolo mantsy dia saika rakotr’io teny io. Sarinteny entina hilazana fa Andriamanitra no miahy sy mitantana ny vahoakany. Manambara izany indrindra ny Salamo faha-22 hoe : “Iaveh no mpiandry ahy…”, sy ry Izaia ao amin’ny 40, 11 hoe : “Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondriny izy”, sy ireo maro hafa tsy voatanisa ao. Miankina tanteraka amin’Andriamanitra tokoa ny fiainantsika manontolo ka sasa-poana isika raha sanatria hilaozany.

Ambaran’i Jesoa àry androany, fa izy no mpiandry ondry tsara ary izy irery ihany, hoy ny voalazantsika tery aloha. Ahoana moa no hilazana fa mpiandry ondry tsara i Jesoa ? Satria Izy no mpiandry tena izy sy marina, fa tsy toy ireo mpikarama araka ny voalazany izay mora mandao amin’ny sarotra sy ny sedra mety hiseho. Ny mpikarama dia miandry ny tambiny vao manao tsara ny iraka hampanaovina azy ; fa ny an’i Jesoa kosa dia voaporofon’ny asany tety an-tany izany maha mpiandry ondry tsara azy izany, dia ny tsy fitsitsiany na fiarovany ny ainy, fa foiny ho an’ny ondriny. Tsy mba nahalala sasatra izy nitady sy hamonjy ireo izay very — izany hoe ireo izay manalavitra ny fitiavan’Andriamanitra Ray sy ny lalany —, tsy nikemo na nitsoaka ady mihitsy izy nanoloana ireo fanenjehana sy fankahalana, fa vao mainka aza mijoro hatrany niaro ireo izay fantany fa azy. Fa manamafy izany maha mpiandry ondry tena izy azy izany indrindra ny hevitra fonosin’ny misterin’ny Paka, dia ny “hevitry ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany ho velona” izany. Ny ainy izay natolony teo amin’ny hazofijaliana no nanafahany antsika amin’ireo mpandroba rehetra, dia ny fahotana izay fototry ny fahafatesantsika sy ny forongony ; ary nampidirany antsika ao amin’ny fianakaviamben’Andriamanitra izay vala tokana irìn’Andriamanitra Ray hiriariavantsika olombelona rehetra. I Kristy no mitarika antsika ho amin’izany vala tokana izany, ary izy koa no miaro antsika. Manana ireo solontenany, mpiandry ondry ao amin’ny Eglizy isika, koa meteza isika hanaiky tarihin’izy ireo ary hivavaka ho azy ireo isika mba ho mpiandry ondry tsara toa an’i Kristy izy ireo, hahasarika antsika ondry ho tia azy. Noho ny Batemy sy ny Fankaherezana noraisintsika àry, dia irahina ihany koa isika mba ho vavolombelona mahatoky sy marina amin’izay rehetra manadrify antsika, koa alao hery, ary aza mikemo fa angataho i Jesoa izay mpiandry ondry tsara hanampy antsika. Amin’ny alalany ihany no ahafahantsika miditra ao amin’ny vala tokana, koa aoka isika tsy hitady lalan-kafa afa-tsy Izy irery ihany.

Misaotra anao izahay, ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, fa nahafoy ny ainao ho anay ianao mba hanananay anjara amin’ny fiainana mandrakizay. Ampio izahay mba handre ny feonao mandrakariva ary tsilovy mba ho iraka mahatoky amin’ny sehatra misy anay ! Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...