21 mey 2023 — Alahady fahafito fankalazana ny Paka — Taona A — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 1-11a)

Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra.

Ao anatin’ny hasivianandro hivavahana manokana hangatahana ny Fanahy Masina isika izao araka ny fampianarana sy ny ohatra velona navelan’ireo apôstôly niaraka tamin’i Masina Maria sy ny vehivavy sasany. Zava-dehibe tokoa ny vavaka satria ny Fanahy Masina no mapitsiry ny finoana sy manentana ny fontsika ho vavolombelon’ny fitsanganan-ko velona.

Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy ilay nirahiny. Ny lalana makany an-danitra araka izany dia ny fiezahana hahalala izay inoantsika. Ny olona tsirairay dia tokony hanavao isan’andro ny finoana an’Andriamanitra ka ny zava-mitranga no manampy handalina ny tena endrik’ilay Andriamanitra inoana, mba tsy hijanona amin’ny mety ho finoanoam-poana sy ny fanompoan-tsampy vokatry ny fitiavan-tena sy ny avonavona.

Ambaran’ny Evanjely fa ny fahefana nomen’Andriamnanitra dia tsy mba entina manjakazaka fa entina manome ny fiainana mandrakizay amin’izay ankinina amin’ny tena. Ka raha ny fahalalana an’Andriamanitra no fianana mandrakizay dia tokony ho taratry ny fitiavan’Andriamanitra mandrakariva. Fandraisana andraikitra nankinina amin’izay mpino ka manaiky ho mpianatr’i Kristy.

Tsy manamaivana ny tolona ataontsika eo amin’izao tontolo izao ny maha kristianina antsika, fa mampahatsiahy antsika kosa fa eo mandrakariva i Kristy, araka ny fampanantenany. Misy olona mihevitra fa rehefa mivavaka dia ho foana ny olana sy ny fitsapana maro. Manaja ny safidintsika Andriamanitra fa tsy mamela antsika ho irery kosa, fa miaraka amintsika mandrakariva.

Ny alahady faha-7 moa hialohavan’ny fiakarana any an-danitra na “Ascension”, dia mamintina ny vavaka nataon’i Kristy ho an’ny Fiangonana: “Mba ho iray anie izy rehetra”. Mampahatsiaro ilay sakramenta manambara an’i Kristy sy ny Fiangonany ary ny misterin’ny fitiavany.

Tsara ho tsaroan’ireo izay hanorina tokantrano fa ny Sakramentan’ny Fanambadiana dia antso manokana mba ho fototra iorenan’ny fifankatiavana, mba ho taratry ny firaisana tanteraka amin’Andriamanitra. Ny fifankatiavan’ny mpivady no sakramenta manambara an’i Kristy sy ny Fiangonana. Firifiry moa ny tokantrano kristianina mikorontana, satria manadino fa ny fahafoizana aina ho an’ny fianakaviana, io no fototry ny hafaliana ho an’ny kristianina. Izany no porofom-pitiavana tokony hifanoloran’ny mpivady ka hanabeazany ny zanany.

Ny Evanjely dia vavak’i Krsity, tsinjaraina amin’ity taona litorjika manontolo ity. I Jesoa Mpisorona mitalaho amin-dRainy: in-enina miverina ny teny hoe Ray, Ray Marina, Ray Masina ; mandritra ny vavaka hitalahoan’i Jesoa amin’io Rainy io ho an’ireo mpianany sy ireo mino Azy. Lazain’i Masindahy Joany ao amin’ny fiatombohan’ny toko faha-17 fa avy nilaza izany zavatra rehetra izany Izy no miandrandra ny lanitra. Tsy inona moa izany fa ny zavatra rehetra tokony hiainantsika mba hananantsika fiadanana Aminy. Nambarany tamin’ny mpianany fa ny Fiangonany dia mifototra amin’ny fanasana tongotra, ny fifankatiavana sy ny fifanompoana. Avy eo dia niandrandra ny lanitra Izy ka nivavaka. Ny hoe miandrandra ny lanitra moa dia midika hoe manopy ny maso hijery ny vahoaka (Jereo Masindahy Joany 6, 5). Ilay mason’i Jesoa miandrandra mijery ny vahoaka tonga manatona Azy no mitalaho amin’Izy Ray mba hananan’ireo ny fiainana mandrakizay sy hananany azy be dia be.

Ny tanjony, ka manjary tanjon’izay rehetra nirahiny hamahana ny andian’ondriny, dia mba hananan’ireo rehetra nomena azy ny fiainana mandrakizay. Ny fahalalana an’Andriamanitra ho Ray marina sy masina no fiainana mandrakizay satria izany no manova ny fiaianana ho araka an’Andriamanitra. Fahalalana tsy mianina amin’ny ara-tsaina anefa izany, fa fahalalana miorina amin’ny fitiavana satria mahatsapa fa tiana ka te hahalala ny endrik’ilay mitia mialoha. Tanteraka eto ny fanirian’i Adama, te hitovy amin’Andriamanitra, satria irìn’i Jesoa hitovy Aminy Zanak’Andriamanitra isika, tsy ho fandrihan’ny bibilava amin’ny fandikana ny Tenin’Andriamanitra anefa fa hanahaka an’Andriamanitra mahafoy ny Zanany lahitokana ho sorona.

Tsy mivavaka ho an’izao tontolo izao i Jesoa, tsy ny tontolo hitambaran’ny zava-boaary rehetra fa ny tontolon’ny lainga sy ny avonavona izay manimba ny fiaraha-monina sy ny fiainan’ny olona. Io ilay tontolo noreseny, aza matahotra fa efa nandresy an’izao tontolo izao Aho, hoy Izy. Eo amin’izao tontolo izao isika ka na miandrandra ny lanitra aza dia tsy ho variana hibanjina azy fa hahatsiaro mandrakariva ny andraikitra nankinina amin’izay maniry handova ny fiainana, miaina ny maha zanaka amin’ny fiezahana hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra.

Raha mivavaka ho an’ny firaisan’ny mpino isika dia mila miezaka mandravina ny disadisa sy ny tsy fifankahazoana. Tsy ho sanatria ny mpianatr’i Kristy no hisara-bazana.

Honina ao am-pontsika anie ny Fanahy Masina, hankahery antsika hatrany sy hanazava ny saintsika ka hitomboan’ny faniriantsika hahalala bebe kokoa an’Andriamanitra. Handavorary antsika hiorina ho Tempolin’Andriamanitra ho fanomezam-boninahitra an’i Kristy, satria ny tenantsika sy ny asantsika dia fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra avokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...