2 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Hamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianareo, raha mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 11-26)

Hoatran’ny hoe mandalo andro ratsy isika anio raha ny tantaran’i Evanjely no jerena, satria maheno an’i Jesoa manozona hazo tsy nety namoa atsy, ary tezitra amin’ireo mpivarotra tao an-Tempoly aroa. Tsy vitan’ny hoe andro ratsy fotsiny, fa toa mampametra-panonaniana koa aza tsindraindray, ary toa mampanontany tena hoe sao dia tsy rariny kosa raha mangataka amin’ity hazo efa hita fa tsy amin’ny fotoam-pamokarany voankazo izao ve no didian’i Jesoa hamoa, ary rehefa avy eo nozoniny rehefa tsy nanome voa tamin’io fotoana nandalovany teo io ka maina sy maty niaraka tamin’izay.

Zavatra manaitra amin’ity tantara dia ny hanoanan’i Jesoa, ary maniry Izy ny hivoky amin’io hazo io. Mila antsika Andriamanitra, noana antsika Izy. Mila vonona mandrakariva hanome voa isika manoloana ny hanoanan’Andriamanitra. Azo heverina ny fitiavana ny voa eto, azo heverina ny fanantenana ihany koa sy ny finoana satria efa nasainy, noevohiny sy nokarakarainy isika ; ka moa vonona ny hanome Azy vokatra amin’izay fotoana itadiavany an’izany ?

Manasa antsika hanana toe-tsain’ny mpivavaka marina kosa ilay tantara hafaroa mahakasika ny fandroahana ireo mpivarotra tao an-Tempoly. Indraindray mantsy isika rehefa mivavaka hoatran’ny olona ho any an-tsena : ny fitafiana, mandeha amin’ora izay metimety amintsika. Indraindray ihany koa manana toe-tsain’olona miantsena : hiresaka amin’ny hafa, hiady varotra. Ireo toe-tsaina sy toe-panahy ireo no tian’i Jesoa horoahina ao anatintsika rehefa hivavaka, satria hihaona amin’Andriamanitra no anton-diantsika fa tsy hihaona amin’ny mpivarotra any an-tsena akory.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...