30 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

I Jesoa midina avy tany an-tendrombohitra maneho an’Andriamanitra midina, tonga miara-moniina amintsika olombelona. Tsy vitan’ny hoe midina fotsiny Izy fa tonga hamonjy sy hanavotra ka hanandratra antsika hitovy aminy. Eto izao lehilahy boka iray, nanatona sy nitsaoka Azy ary nangataka fanasitranana taminy dia ny hanadiovany azy. Tsara ho marihina aloha fa tsy azo atao mihitsy ny mifangaroharo amin’ny boka tamin’izany fotoana izany satria mampaloto izay mikasika azy fa samy mitokana, tsy mifangaroharo. Raha tsy maintsy handeha aza ny boka dia mampaneno lakolosy mba hikisahan’izay tsy boka. Tsy nahasakana ity lehilahy ity izany lalàna misy eo amin’ny faraha-monina izany fa lasa izy nanatona, nitsaoka ary nangataka tamin’i Jesoa. Araka izany, misy dingana telo narahiny eto: Manatona, mitsaoka, mangataka. Aza malaky mangataka raha tsy manatona, ary rehefa manatona tsy miridiridy fotsiny fa misy fihetsika atao: eto izao mitsaoka, izay midika fanetren-tena ka miaiky fa ambony ilay atrehina ka miforitra ny rantsam-batana maneho izany. Koa mahaiza mangataka isika fa aza ratsy fangataka izany.

Ny teny fangatahana nataony maneho ihany koa izany fanetren-tenany izany: “Tompo ô, raha mety Ianao, dia mahay manadio ahy”. Tsy nandidy izy fa nitalaho, miaiky izy fa Tompo mahefa ny zavatra rehetra ity angatahiny ity, mahay manadio azy amin’ny halotoany, dia ny habokany izany. Isika ihany koa bokam-pahotana ka mila Azy Tompo hanadio antsika. Aza mieritreritra fa tsy boka isika, izany hoe tsy manam-pahotana satria efa manao izatsy sy zaroa. Ireny indrindra aza no tsy maintsy midio satria izay fotsy, madio, halan-doto; ka mila mitandrina be. Ny habokam-pahotana samy manana; tsy izay akory no inona fa tena zava-dehibe tokoa ny ezaka atao manadio azy.

Ny valin-teny nataon’i Jesoa vao mainka maneho ny asam-pamonjena sahaniny. Raha arahana amin’ny fisainantsika olombelona fotsiny dia tokony ho nihaingitraingitra i Jesoa, tsy nety natonin’ity lehilahy boka ity mba tsy hahaloto azy; saingy tsy izany no nataony fa nanaiky Izy. Raha tsy resaka habokana fa tena fahotana mihitsy dia izao no azo ambara: tsy hoe tsy tian’Andriamanitra ny mpanota, lalainy ireny aza fa ny ota no tsy tiany. Ka na boka toy inona aza isika, be fahotana, tsara mandrakariva ny manatona Azy Tompo fa hainy ny manadio izany; raha tsy izany ho bokalahy sy ho bokavavy eny foana isika ka ho voa mafy. Fa hatramin’izao i Jesoa mbola tsy mitsahatra manasitrana antsika ka miteny hoe: “Mety Aho, madiova ianao”. Mitovitovy amin’izany ny teny ataon’ny pretra amin’ny famelana ny fahotana rehefa mikônfesy isika, ka mahatonga antsika madio tanteraka. Vokatr’izany mahazo fahasoavan-dehibe isika.

Izao koa no tiako hisarihana ny saintsika: tsy indray mandeha ihany isika no midio fa matetika amin’ny fiainana andavanandro. Mitovy amin’izany ihany koa ny fanahy, raha tsy izany feno takosim-pahotana, mitohy habokana, rehefa tsy diovina matetika izy ho difotry ny loto ka ho simba sy ho faty aza, raha tsy mitandrina isika. Mazotoa midio, izany hoe mikônfesy. Aza miandry alohan’ny fety lehibe vao mikônfesy fa eo amin’izay nahalavo iarenana, raha mbola mety koa. Aza kivy na sasatra ny amin’izany. Tsipaka am-bavafo atao amin’i Satana izany mba handresena azy. Koa mahereza isika.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...