4 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 23-27)

Evanjely mitantara ny zava-tsarotra niainan’ireo mpianatra, ny Evanjely henontsika teo. Hariva tao aorian’ny asa maro nataon’i Jesoa, niakatra tao an-tsambo ary nandidy ny mpianany hialoha Azy hiampita ny ranomasin’i Galilea. Ary noho ny harerahana nanjo azy dia natory; toy ny olona miala sasatra rehetra Izy. Tampoka anefa tonga ny onja mahery sy rivotra mifofofofo ka nampitsingilangilana ny sambo. Raiki-tahotra ny mpianantra ka niantso vonjy. Tamin’izay i Jesoa nandidy ny rivotra sy ny ranomasina ka tony dia tony ny andro.

Azo ampitahaina sy oharina amin’ny endriky ny fiainana diavina io fiampitana ny ranomasin’i Galilea io. Endriky ny fiainam-pianakaviana na fiainan’ny ankohonana, eny mety ho fiainantsika manokana koa aza, rahefa tojo onjam-piainana sarotra isika. Indrindra moa rahefa mahatsiaro fa toa maizina ny fiainana, feno rano; lavitra an’Andriamanitra, toa adinon’Andriamanitra. Eo anatrehan’ireny sedram-piainana ireny, inona no hatao? Aiza no hiantoraka ary iza no afaka hamonjy?

Tsy andram-piainana ho an’ny mpianatra fotsiny io, rentsika androany io, fa fianarana ho an’ny olombelona rehetra, indrindra isika efa mino, itokiantsika an’i Jesoa, Mpamonjy nirahin’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao. Any Aminy isika no mitodika sy miantso vonjy. Fa Andriamanitra Izy, afaka mandidy izao rehetra izao. Koa matokia mandrakariva Azy. Manàna Azy ho Toky sy Mpamonjy. Ary fomba entintsika miaina sy mahatanteraka izany ao amintsika dia tsy misy afa-tsy ny fanana finoana, ny vavaka ary ny fitandremana ny didy omen’Andriamanitra antsika mba hanehoantsika fitiavana Azy.

Jesoa Tompo ô, ny hamonjy anay no nahatongavanao tety an-tany, koa aza avela hanary toky izahay rahefa tojo olana sy ny sarotra, aza avela hatoky tena koa, fa mba hanantena sy hiantehatra lalandava amin’ny herinao sy ny fahefanao.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...