6 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)

Azo sokajiana telo miavaka tsara ny voalazan’i Masindahy Matio tamintsika teo:

Momba an’ilay lehilahy malemy mandry tamin’ny fandriany. Aretina maheno ny fahoriana sy fijaliana iaretantsika olombelona, ny mafy indrindra zakaina ka tsy afahana manao na inona na inona. Ny aretim-panahy anefa no nositran’i Jesoa, fanahy voageja sy marary vokatry ny fahotana. Amin’i Jesoa, ny fahotana no fototry ny ratsy sy ny fijaliana ho an’ izao tontolo izao ka ny fanafahana antsika amin’ny fahotana aloha no voalohany nataony. “Matokia anaka fa voavela ny helokao.” Noho izany, mila mahatsapa tena fa mpanota isika ary manatona ny indrafon’Aandiamnitra amin’ny alalan’ny Zanany tonga haneho izany amintsika olombelona.

Momba ireo vahoaka nahalala ny fahefan’Andriamanitra tao amin’i Jesoa, ho mpanasitrana, ho mpamindrafo kanefa tsy nandray izany velively.

Ireto mpanora-dalana izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa, nahita ny fanasitranany an’ilay malemy fa tsy nino velively ny maha Andriamanitra Azy, tonga hanatanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, voalazan’ny Salamo 103, 3 hoe: “Izy no”. Tsy mba nahatsiaro tena ho mpanota sy marary fa mihevitena ho marina tsy manantsiny ka tsy mila ny fanampin’Andriamanitra.

Ireo lafiny telo hitantsika teo ireo dia mety hanjo antsika ka tokony ho dinihana sy hanatonana an’Andriamanitra. Ilana fifanampiana ihany koa satria ny marary malemy tsy ho tonga any amin’ny mpitsabo raha tsy misy mpitondra. Ilaina mandrakariva ny ohatra velona asehontsika mino sy ny toe-piainana kristianina iainantsika isan’andro ho an’ny hafa fa indrindra ny asa soa ataontsika havonjy ny olombelona rehetra.

Jesoa ô, ampio zahay hahatsiaro tena ho mpanota ka hanatona Anao Mpamindra fo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...