15 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)

Ambaran'i Jesoa mazava tsara eto fa ny tahotra no tokony hialana voalohany raha te hanatontosa an-tsakany sy an-davany ny iraka, dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly izany. Ny fahatahorana ny ho enjehina sy ny ho faty no ambaran’ny Evanjely eto no sakana ho an’ireo izay te hijoro ho vavolombelona. Izay indrindra no mila hioharana raha te hahatafita ny hafatra. Ny fiainana ny fitiavana àry araka izany no tokony hananana mba handresena ny tahotra. Ny fitiavantsika an'i Kristy no manosika antsika hitory ny Evanjely na inona na inona fisedrana hatrehina. Noho izany dia ny herintsika mihitsy no ilaina hanatanterahana an’izany: ny herim-panahy sy ny herim-batana.

Ny fiombonam-piainana Aminy àry no mila hamafisina sy hampitomboina eo am-panatanterahana ny iraka, ka izay indrindra no tokony tsy hatahorana. Hoy i Masindahy Paoly izay hoe: “Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?”. Aza adinoina àry fa tsy irery isika fa miaraka Aminy mandrakariva ka manovo hery ao. Rehefa menatra ny hanambara ny Evanjely amin’izao tontolo izao koa isika dia ho very araka ny tenin'i Kristy. Ny asa fanirahana izay atao àry dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Tompo ô, omeo fahasahiana izahay hitorianay ny Anaranao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...