Talata 03 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

0 : 00

Ry Kristianina havava! Miezaka mitsinjo ny farany mandrakariva isika mba tsy ho ratsy fiafara; mba tsy ho toy ireo osy voaozona eo ankavia araka ny hafatra nomena antsika omaly. Mitady antsika hatraiza Andriamanitra. Tsy foiny ho very mantsy isika, fa iriny mba hiara-monina aminy amin-kasambarana. Ho fanomanana antsika amin’izany dia niara-niaina tamintsika i Jesoa ary tsy izany ihany fa nampianatra antsika koa, mba hizorantsika amin’ny fahamarinana sy mba hahalalantsika ny Ray. Ny vavaka no isan’ny manampy antsika amin’izany ka ampianarin’i Jesoa antsika ary ny tokony hataontsika, ny toe-po amam-panahy tokony hananantsika rehefa mivavaka isika. Hoy Izy: "Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa hataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy". Ny vavaka takian’Andriamanitra amintsika dia izay vokatry ny fontsika, ary atao am-panetren-tena.

Tsarovy fa efa fantatr’Andriamanitra ny ilaintsika na tsy mbola mangataka Aminy aza isika. Mampianatra antsika ny endri-bavaka tokony ataontsika àry i Jesoa, dia ny vavaka izay efa diso haintsika loatra dia ny "Rainay" ary indraindray aza dia toa tsy tsapantsika loatra ny maha vavaka feno an’io vavaka io. Tena inoantsika ary tsapantsika tokoa ve, rehefa mivavaka isika fa "Raintsika" Andriamanitra ary mahalala izay mahasoa antsika Izy?

Tsy ampy anefa ny mivavaka sy mino fa tsy maintsy miatrika asa isika satria maty ny finoana raha tsy arahina asa. Isan’ny asa takiana amintsika ny mitia ny mpiara-belona amintsika, ny fanampiana ny mahantra, fa indrindra ny fifamelana sy ny maro hafa koa. Isan’ny asian'i Jesoa tsindrim-peo ny famelana amin’ny fampianarany antsika androany. Mandeha ila mantsy ny vavaka ataontsika raha tsy miezaka manahatahaka ny Ray isika mikasika ny fitiavana sy ny famelana, ary amin’izany ny endrika hisehoan’ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany. Mba mahaiza mamela amin’ny fo tokoa ary amim-pitiavana ny namana na ny olona diso taminao na nanafintohana anao. Hiezaka àry isika hanana ireo toetra tsara ireo mba ho lavorary kokoa ny fifandraisantsika amin’ny Ray. Ary aoka isika tsy hila dera amin’ny mpiara-monina raha mivavaka na manao ireny asa soa ireny, fa lehibe lavitra noho ny dera sy ny voninahitra aty an-tany ny valisoa ho azontsika amin’ny Ray.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Ianao mahalala ny ao am-po tsy miloaka, ka ny herinao anie hanampy anay ho tsotra raha mivavaka ary izany fahatsorana izany anie no hanampy anay hitia ny mpiara-belona aminay ary hiala amin’ny fihatsaram-belatsihy. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 7 jona 2024

♦ Manantitra ny fisaorana sy ny fankasitrahana ho antsika mianakavy ny avy eo anivon'ny Seminera Zandriny Ambohipo, noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miombom-bavaka izay niarahana tamin'ny 26 mey 2024... ♦ Hotontosaina ny alahady 9 jona 2024 ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Katôlika, izay tokony nankalazaina ny 13 mey 2024... ♦ Hanatanteraka Kôngresy ny 7 hatramin'ny 12 aogositra 2024, ny avy eo anivon'ny Tanora Marialy Vinsansiana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...