28 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 jona 2024

♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...