14 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo — Taona tsy ankasa — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Ry kristianina havana; manambara ny hahafatesany sy ny hitsanganany ho velona i Jesoa. Mahavavalanina ny saina tokoa ny maheno mialoha ny hahafatesan’ny olona tiana; izany no manjo ireto apôstôly. Ny tenin’i Jesoa anefa dia mitohy hoe hitsanagana ho velona, ary ity fitsanganan-ko velona ity no tena lehibe. Lalam-piainan’ny manana aina rehetra ny fahafatesana fa mampiharihary ny maha Andriamanitra Tompon’ny aina ny fitsanganan-ko velona, ary izany no famonjena. Ambaran’ny Litorjian’ny Paka fa tahaka ny tantely i Kristy: maty mamela mamy. Tsy maintsy ekena ny fahafatesana; tsy maintsy mandalo zoma masina vao misy Paka.

Resaka hetra ho fikarakarana ny Tempoly no fampianarana faharoa ataon’i Jesoa. Tranon’Andriamanitra Rainy ny Tempoly; i Jesoa dia Zanaky ny Ray; azon’i Jesoa atao mihitsy ny tsy mandoa hetra amin’izany. Saingy nekeny izay fepetry ny fiaraha-monina efa teo, dia naloany ny hetra. Ilaina ny mikarakara ny etoan-tany mba haha olom-banona. Tsy nandalo teo an-tanan’i Jesoa anefa ny vola aloa ho hetra fa i Piera no nanefa izany. Na dia nanaiky izay fifampifehezan’ny fiaraha-monina aza i Jesoa dia miavaka tsara kosa ny asan’Andriamanitra sy ny asan’olombelona.

Niray tombon-tsoa tamin’i Jesoa i Piera satria efa nino sy natoky Azy. Tsy mikendry tombon-tsoa inona akory fa Andriamanitra no mahatonga izany. Tanteraka ara-bakiteny mihitsy ilay hoe iray lova eto an-tany ary iray voninahitra any an-danitra. Isaorana anie Andriamanitra amin’ny famonjeny dieny eto an-tany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...