22 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Ry kristianina havana! Mahakasika sehatra maro ny fikatsahana ny fanjakan’ny lanitra araka ny fampianaran’i Jesoa amintsika isan’andro, fa isan’ny asiany tsindrim-peo ny mikasika ny fananan-karena sy ny tontolo manodidina azy. Tamin’ny Evanjely talohan’ity androany ity Izy no niangavy ilay tovolahy mpanankarena hivarotra ny fananany rehetra ary hizara izany amin’ny mahantra, mba hahalavorary azy. Androany indray dia lazainy mihitsy fa sarotra ho an’ny mpanankarena ny miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Hita tokoa izany raha ity tovolahy voalaza eo aloha ity no tsiahivina. Zavatra tsy azo eritreretina mihitsy no lazain’i Jesoa raha miteny ny vody fanjaitra Izy. Ny harena, ny fitiavana te hanana ary te hanangona tokoa mantsy dia tsy manome fahafahana velively ho antsika fa vao mainka aza mahatonga antsika ho vesaran’ny fifikirana amin’ny zava-mandalo, ka tsy hihevitra afa-tsy ny hitady izay fomba rehetra mety atao hampitomboana ny eo an-tanana sy ny hiarovana izany tsy hihena na ho very. Tsy hoe ratsy akory ny manan-karena, saingy ny tena olana dia izao: mazàna ny harena, ny fananana, ny fahalalana dia mitondra antsika hihevitra ho mahavita tena ka tsy mila ny hafa intsony; mahatonga antsika hiavonavona ka lasa manao tsinontsinona na manambany ny hafa aza indraindray, satria mihevitra fa afaka mibaiko sy mifehy ny zavatra rehetra, hany ka lasa mizahozaho sy mieboebo. Mifanohitra amin’izay angatahin’i Jesoa avokoa izany rehetra izany dia ny fahatsorana sy ny fanetren-tena mba hidirana amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Iza ihany àry no mety ho voavonjy, hoy ny mpianany, ary mipetraka ao amintsika ihany koa izany fisalasalana izany. Sarotra tokoa ny manara-dia an’i Jesoa sy miaina ny maha kristianina satria izao vaninandro iainantsika izao mantsy, izay vaninandro mampirona antsika amin’ny fanatontoloana dia manome vahana ny fahafahana hanana sy hanangona izao rehetra izao; hany ka mifaninana ny olona manao izay hisehoany fa hoe manana izy. Ny mahagaga koa dia toa tsy mahita afa-tsy ny manan-karena ihany ny fiaraha-monina ary manome vahana azy ireny aza. Mitady hahazo vahana hatraty amin’ny fiainan’ny Fiangonana izany toe-tsaina izany, satria ny manam-bola sy ny manana fitaovana no afaka manao zavatra. Amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy antsika anefa, dia aoka isika ho mailo sy hahalala tsara, fa tsy eto amin’ity fiainana mandalo ity no tena fiainana fa ilay fiainana mandrakizay izay mila omanina dieny izao noho izy tsy mora ny mahazo azy; ary ny vola aman-karena eto an-tany dia mety tsy hanampy na tsy mitondra mankany mihitsy aza raha, toa ka izy ireny no tompointsika.

Misy ny fitenintsika hoe: “Izay mahay milomano ihany no maty an-drano”, kanefa na izany aza “izay sahy milomano ihany koa no hahatafita ny tenany”; koa aoka ary isika hampandefitra ny sitra-pontsika mba hahatafita antsika any an-danitra, satria misy karazan-karena maro mamatotra antsika ka misakana antsika tsy hanatanteraka izay takian’Andriamanitra amintsika. Aoka ny zavatry ny tany ho entintsika mandrakariva hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana ary hataontsika fitaovana hanampy antsika ho tonga any amin'ilay fanjakana ampanantenain’i Jesoa antsika.

Andriamanitra ô, ampianaro hahay hampiasa ny haren’ny tany izahay ho entinay hanompoana Anao sy hanampianay ireo mahantra sy mijaly fa tsy sanatria handaozanay Anao akory! Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...