26 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Ry kristianina havana! Androany dia mananatra antsika mpanara-dia Azy i Jesoa, ka aharihariny amin’izany ny tokony iainantsika ny fanetren-tena na manao ahoana na manao ahoana toerana misy antsika eo amin’ny fiaraha-monina na eo amin’ny firenena na eo amin’ny sehatry ny Fiangonana koa aza: na mpitarika isika, na mpanentana, na mpitondra, na entina dia tokony hanana mandrakariva izay fanetren-tena izay. Ny tsy fananana na fiainana io toetra io mantsy dia vato misakana iray lehibe eo amin’ny fahatanterahan’ny famonjena antika tsirairay sy ny famonjena antsika mitambatra. Sakana iray eo amin’ny fidiran’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika. Manaporofo izany ny fiainan’ireto Farisianina sy Mpanora-dalàna, izay ohatra entin’i Jesoa amintsika. Mihambo ho mahalala tsara ny momba ny fivavahana sy ny fiaraha-monina izy ireo, ka indro tonga tsy refesi-mandidy sy mihevi-tena ho tampom-pahaizana, ary ambonin’ny lalàna ka sanatria ho azy raha izay mba hanetry tena kely akory. Noho ny tsy fananany fanetren-tena dia indro fa mikatsaka dera sy voninahitra etsy sy eroa, amin’izay atao rehetra. Izany rehetra izany dia atao mba hanehoana fa hoe ambony, lehibe, manam-pahefana tokony ho tompoina sy henoina ary toavin-teny. Fatantsika ny tohin’ny fiainan’ireo sokajin’olona ireo; sarotra ho azy ny namolaka ny hambom-pony ka tsy nety nandray an’i Jesoa Kristy, ilay tena Mpampianatra nirahin’Andriamanitra hampianatra antsika olombelona ny fanetren-tena sy ny tokony hatao rehetra mba hidirana any amin’ny fanjan’ny lanitra izy ireo, fa ny hamono hahafaty Azy aza no nimasoany.

Anarin’i Jesoa ny Mpampianatra ary isika, tsy ho tafalatsaka amin’izany lalana tsy mitondra mankany amin’ny famonjena izany. Antsoiny isika mba hahay hanetry tena, ka ny fampiharana izany dia toy izao: izay rehetra tokony ataontsika amin’ny maha kristianina sy maha olom-pirenena antsika dia aoka ho tanterahina amim-pitiavana sy am-pahatsorana ary am-panetren-tena, tsy hikendrena afa-tsy ny soa iombonana sy ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany. Manaraka izany dia antsoiny koa isika hifampitondra toy ny mpiray tampo, satria isika rehetra dia iray Ray avokoa — dia Andriamanitra Ray any an-danitra — ary tsy misy olon-kafa nomeny hampianatra antika afa-tsy ny Zanany tokana, dia i Jesoa Kristy. Noho izany dia mitovy zo sy hasina isika fa tsy misy ambony sy ambany. Na ny Ray na i Jesoa Kristy dia samy be fanetren-tena avokoa, ka nahoana ary no sarotra ho antsika zanany ny manetry tena ankehitriny ary nahoana no tsy ho sahy hanetry tena tahaka azy ireo isika?

Ry Jesoa Mpampianatra ô! Ianao irery no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Tariho mankany amin’ny Ray izahay; ataovy tena mpianatrao ary ampitomboy ny finoanay! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...