10 septambra 2023 — Alahady Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Foto-kevitra aroso amintsika amin’ity herinandro faha-23 mandavan-taona, amin’ny taona A ity ny hoe: “Tsy mifampijery arina an-tava ny Kristianina” Maneho izany ny Evanjely henontsika teo: ny rahalahy manao hadisoana amin’ny tena tsara raha hatonina aloha fa tsy miandry azy hanatona hangatam-pamelana na izy aza no diso. Tsy mety izany ny hoe: “Nga izaho no diso, aleo izy no hanatona voalohany” Izay no dingana voalohany arahina. Mafy amintsika izany kanefa izay no soritra omen’i Jesoa amintsika mpianany ka tsara tanterahina. Rehefa mifanatona ianareo tsy ny hanasoketa azy no mahamaika fa maneho aminy ny hadisoany mba hihainoany anao. Fadio amin’izany ny manao tsindrio fa lavo, na manenji-dresy, na ny manasongadina ny tena, tandremo ny mivatravatra fa ampahafantaro azy am-pitiavana sy amin-kalemem-panahy ary amin-kamoram-po ny tsy nety nataony amin’izay ho mora ny hihainoany anao. Ento am-bavaka mandrakariva aloha mba hisosa ny fihaonanareo. Tsy misy tsy vitanan’ny resaka mantsy. Raha tsy mahomby izany vao miroso amin’ny dingana hafa indray dia ny fiantsoana vavolombelona, ary raha mbola tsy mety ihany vao entina eo anatrehan’ny Eglizy. Izany hoe: Tsy maika hanilika na malaky manameloka fa miala nenina aloha. Toetran’Andriamanitra izany ka tsara alaina tahaka, na sarotra aza indraindray. Tsy mety amintsika mpianatr’i Kristy ny mahita ny hadisoana ataon’ny hafa nefa tsy miteny aminy fa aoka hifananatra sy hifanitsy mandrakariva. Izay ilay mifanohitohina sy mifanohatohana. Na iza na iza, eny azo heverina koa eto ny pianany aza mety hanam-pahadisoana fa kosa ilaina ny mamitram-pihavanana, tsy manao an-dolom-po, na fo lentika.

Ankoatr’izany, tohizin’i Jesoa hoe: “Izay voafehy ety an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra”, izay miravona ety dia vita koa any an-danitra. Hay misy ifandraisany ny tany sy ny lanitra, izay atao ety misy akony any an-danitra, izay miaina indra fo dia misantatra sahady ny lanitra. Jereo izato fahambonina anandratan’Andriamanitra antsika amin’ny fahatokisany antsika. Voninahitra an-tsobika aza atao am-patram-bary. Isika mantsy tena mila indra fo avy aminy ka mahaiza aloha mifamela dieny ety.

Toky ho antsika ihany koa ity lazain’i Jesoa amintsika ity: “Na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho.” Koa araraoty izany. Eo afovoantsika mandrakariva Izy amin’ireny ataontsika ireny, na asa, na fivoriana, indrindra moa ny vavaka, fa aoka kosa ho tena amin’ny anarany no anaovantsika izany. Izy mandrakariva araka izany no aoka ho ivon’izay ataontsika fa tsy olo-kafa na zavatra hafa mba hahafahany manjaka tokoa amintsika.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...