12 septambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)

Naroso tamintsika teo i Jesoa nifidy ireo Apostoly 12. Mialohan’izany anefa tsy hadinony mihitsy ny mivavaka, indrindra rehefa hisy fanapahan-kevitra lehibe ho raisiny. Vaindohan-draharaha ho azy ny mivavaka, tsy nataony ambanin-javatra ny fifandraisany tamin-dRainy. Ohatra lehibe ho antsika izany. Nandoaka alina Izy. Marina fa tsy ny rehetra no mahavita toy izany kanefa kosa azo tsoahina amin’izany ny hoe: betsaka amintsika no mandany fotoana lava amin-javatra hafa toy ny milalao sy ny mikorana, ny manao “Facebook”, ny mampiady akoho, ny manaraka fanatanjahan-tena, ny mirevy mandra-maraina, sy ireo karazan-javatra marobe ho amin’ny filàna sy ny fialam-boly ka mahavita hatramin’ny tsy matory hanarahana izany fa tsy mahafoy fotoana kely akory mba hivavahana, indraindray aza toa hadino mihitsy ny mivavaka fa sasa-dahasa. Aza atakalo zavatra hafa na olon-kafa re Andriamanitra e! Tsy misy ambony noho Izy ary tsy misy maha solo Azy izany na iza na iza, na aiza na aiza.

Ankoatr’izany, niakatra nananika tendrombohitra Izy mba hivavaka. Tsy mora izany. Fa misy amintsika toy ny labozia ka ny eo ampotony indray aza no maizina hany ka tara na tsy mivavaka ny akaiky Eglizy, ao ireo misy lamesa isan’andro fa tsy manatrika; ny an’ny hafa anefa mandeha tongotra ora maro vao mahita Lamesa fa mandeha hatrany. Misy ny mpivady ny ilany ihany no mazoto sy mikatroka fa ny ilany kamo sy malaina. Misy aza moa havana Pretra na Relijiozy kanefa tsy mivavaka akory na mandeha amin’ny karazam-pinoana hafa… Mila misahirana raha te hahita an’Andriamanitra fa tsy mandeha ho azy amin’izao.

Ambonin’izany rehetra izany mampahatsiahy antsika fa tsy isika no tia an’Andriamanitra mialoha fa Izy; izany hoe Izy no mifidy antsika tanatin’ny maro, toy ny nifidianany an’ireto Apostoly ireto ka nomeny izany anarana izany. Tsy asantsika mantsy io ataontsika io fa Azy: Izy no nifidy sy maniraka antsika hiantsoroka izany. Ka eo amin’ireo andraikitra isalorantsika, manana ny anarany avy fa aoka ho araka izany no ataontsika, eny hatramin’ireo sakramenta raisintsika fa tsy halaza tsy hihinanana toy ny vilian-tsahona fotsiny, aza atao toy ny afo-mololo ka miredareda amboalohany fotsiny fa aoka ho tena fiainantsika mihitsy. Nifidy olona samihafa Izy fa natambany ho iray ka aza tia tena na hanao salobon-komana fa aoka hiara-dia mandrakariva, aoka tsy hifanipaka toa valala an-karona fa hifanohitohina sy hifanohatohana hatrany. Toky ho antsika mantsy ity nataon’i Jesoa ity: “Niara-nidina tamin’izy ireo Izy” Izany hoe tsy irery isika fa miaraka aminy mandrakariva ka na tojo olana sy zava-manahirana aza dia eo Izy miara-mizaka amintsika. Ka aza kivy na ketraka isika fa eo Izy hanolo-tanana antsika. Tsy lavitra fa miaraka amintsika hatrany hatrany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...