13 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 20-26)

Manoro antsika ny fahasambarana i Jesoa amin’ity Evanjely ity. Tsy hasambarana manodoka izany, na mandalo, na sandoka fa ilay hasambarana tena izy ka maharitra. Izany hoe ny fiombonana tanteraka amin’Andriamanitra, ny fianteherana sy fitokisana aminy. Tsy misy hasambarana manoatra noho izany. Eny, mety ho faharavana, fahapotehina no endrika isehoany ety ivelany sy ety an-tany, toy ny fahantrana, hanohanana, tomany, halan’ny olona, ho roahiny, tevatevainy, ho laviny… Fa raha “noho ny amin’ny Zanak’olona” izany hoe i Jesoa no mahatonga izany dia hody hafalina lehibe tokoa. Hitantsika izany amin’ny tantaran’ireo olomasina. Misy koa efa miaina izany mihitsy ankehitriny. Satria tsy ny hafalian’izao tontolo izao no ankamamiany, izay mandalo sy manodoka fa ny hafaliana maharitra mandrakizay, izay tsy misy hanesotra izany. Ka ireny toa karazana sedra sy fijaliana mety mihatra amintsika ireny, raha hay ny manankina izany amin’i Jesoa dia hody hafaliana hatrany. Koa ny fahantrana, ny tsy fahampiana, aleo miantehitra amin’Izy Andriamanitra, hameno ny banga fa raha tsy izany lasa mangalatra. Mahaiza mionona amin’izay hananana fa aza mitsiriritra ny an’ny hafa. Izany hoe toe-tsaina tsy ampy an’Andriamanitra no tena fahantrana eto, hany ka maniry sy mangetaheta Azy mandrakariva. Samy afaka manana izany na ny mahantra na ny heverina ho manan-katao. Ireny ranomaso latsaka ireny amin’ny asan’Andriamanitra hody hafaliana satria na mafy aza tsy irery. Izy Zanaka lahitokan’Andriamanitra aza moa nitomany koa fony Izy tety an-tany faingy nandresy Izy taty aoriana. Ireny fanevatevana sy fanenjehana mihatra amintsika ireny, noho ny amin’i Jesoa, tsy hampihontsona antsika akory fa efa nihantra taminy, koa raha mibanjina Azy dia ho maivana foana ireny, miara-mandresy aminy.

Fa mampidi-doza kosa izay mifanohitra amin’izany, hany ka fahaverezana no vokany. Loza ho an’izay toa efa milaza fa miaina fahasambarana izy kanefa raha tsy mitandrina dia ho voa any aoriana. Izany hoe izay miantehitra amin’ireny heveriny ho hasambarana ireny fa tsy izay sori-dalam-pahasambarana atoron’Izy Tompo no mety hidiran-doza any aoriana. Toy ny hoe harena eto an-tany nefa anaovana tsinotsinona ny hafa, anaovana ampihi-mamba sy hanilikilihana ny mahantra. Mba jereo koa ny hafa e! Tsy vatana ihany isika fa fanahy koa koa aza variana amin’ny fanaranam-batana fotsiny fa tsinjovy koa ny fanahy. Eto an-tany isika mety mihomehy fa rahampitso higogogogo mandrakizay, raha tsy mitandrina! Koa mitandrema.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...