16 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)

Mitohy ihany eto ny fanoharana entin’i Jesoa mampianatra: Fantantra amin’ny voany avy ny hazo rehetra. Ny hazo tsara dia tokony hanome voany tsara, ny ratsy dia manome voany ratsy fa tsy mifampiditra, raha tsy hoe efa niharatsy ilay hazo na nisy nanimba, na tsy ampy intsony ny sakafo mamelona azy. Ny aviavy tsy hamokatra tsilo na voaloboka tsy ho voaroitsilo. Toy izany koa isika: tonga zanak’Andriamanitra noho ny Batemy na Batisa noraisintsika ka aza afotetaka amin’ny tany indray ka manjary manao fiainan’ny Demony, na zanaky ny ratsy. Aoka hasehontsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika. Fanampin’izany, isika mamoa no tena andrasana amintsika ka aza mihanina mijoro fotsiny fa ataovy izay hamohazana. Tsy mety ny hoe “kristianina tsotra” fa tsara kokoa ny mandray andraikitra. Tsy ampy arak’izany ny vita Batemy fa ilaina mihitsy ny mirotsaka amin’ny sehatra maro mifanandrify sy sahaza antsika ao amin’ny Eglizy. Tsy ampy ny mandravina fa takîna hisy voany. Ary tsy hoe zara raha misy voany fa mamokatra tsara, izany hoe betsaka araka izay tratra, mitarotaroka aza.

Ankoatr’izany, mazava koa eto ny tenin’i Jesoa: “Ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany” Arakaraka izay notehirizintsika tao am-po no avoaky ny vavantsika matetika. Fa tokony ho hay ny mandanjalanja amin’ny maha olona antsika ka ambaran’ny vava izay rakitra tsara ao am-po, indrindra moa raha izay no betsaka ao. Fa raha sanatria misesika sy voatahiry ao ny ratsy dia hananosarotra ny hahita ny tsara avy amin’izany. Izao koa anefa tadidio fa na miezaka ny ho tsara mandrakariva aza isika dia ny ratsy tsy kely lalana, toy isika mampiasa lay amin’ny fandriana ihany io: mety mbola misy moka tafiditra ihany manelingelina na efa atao tsara aza izany. Efa nasandratra ho tsara isika ka tonga zanak’Andriamanitra noho ny Batemy, dia aza avela matetika hisosoka ny ratsy fa tsy zanaky ny ratsy intsony isika e!

Farany mahazo kiana amin’i Jesoa ny manao aminy hoe: “Tompoko, Tompoko”, nefa tsy manao izay lazainy. Tokony ho vaindohan-draharaha ho antsika mpianany ny fanatanterahana ny teniny. Raha tiana ny olona iray dia tanterahina ny teniny. Eto tsy olona fotsiny i Jesoa fa sady Andriamanitra feno ka vao maika aza tokony mahamaika ny fampiharana izay lazainy. Marina fa Tompo Izy ary tena izany fa aiza ho aiza ny fampiharana izany eo amin’ny fiainana. Izay manao izany no toy ny manorina ny tranony eo ambony vatolampy ka tsy mampihontsona azy n’inon’inona mitranga, eny na rivo-doza aza fa izay tsy manantanteraka ny teny kosa no manorina ny tranony eo ambony tany tsy àry fototra ka mora hikoro sy ho rava dia ho loza no hiafarany. Alao hery àry e!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...