24 septambra 2023 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Amin’ity alahady faha-25 mandavantaona, taona A ity, ny foto-kevitra dia milaza hoe : “Ny fihevitr’Andriamanitra tsy fihevitsika”. Izany no milaza amintsika ny fahalehibiazan’Andriamanitra manoloana antsika harin-tanany. Satria avo dia avo ary lalina tsy taka-polopolorina, tsy takatry ny sain’olombelona ny fisainan’Andriamanitra, hoy i Izaia mpaminany; mba tsy ilazana hoe mifanao atsimo sy avaratra ny fiheverantsika olombelona sy ny an’Andriamanitra. Ka izany indrindra no hampianaran’i Jesoa antsika hahalala ny fotoana rehetra hahatongavana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra efa akaiky amin’ny alalan’ity fanoharana ity. Omeny antsika ny fotoana rehetra hankanesana ao amin’ny fanjakany: mametraka antsika hisafidy tsara izany; ary miantso sy maniraka antsika amin’ny fotoana rehetra nomeny Izy, mba hiditra ao amin’ny fanjakany: mametraka antsika amin’ny fahalalahana izany.

Dia hoy ny fahendren-drazana hoe: “Omby indray mandry tsy indray mifoha”. Satria samy hafa ny fotoana nandraisana sy nahenoana ny iraka ampanaovin’Andriamanitra ny tsirairay. Ka noho izay hamaroan’ny fotoana hiantsoan’Andriamanitra sy hanirahany antsika izay dia tsy mitovy ny fotoana mety nikatrohana ao amin’ny sahan’Andriamanitra: nandraisana ny finoana, nitazonana azy ary ny nampiasana izany, indrindra ao amin’ny Fiangonana. Ka eo no tsy tokony hialonantsika hoy i Jesoa. Tonga voalohany dia manantena valisoa be; dia lasa ratsy ny maso, ratsy fijery ny hafa tonga farany. Amin’ny Soratra Masina mantsy, ny maso ratsy dia milaza fialonana. Ka tsy izany anefa ny hevitr’Andriamanitra. Tsy tokony hialona izay efa nikatroka ela satria tsy ny valisoa no zava-dehibe amin’Andriamanitra fa ny famonjena, ny olona voavonjy. Mitovy avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra; ary izay ilay tena valisoa, valisoa mitovy eo anatrehan’Andrimanitra. Ka ny tokony himasoana dia ny hiasana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra mba hitovizana fa tsy ny fidonanam-poana manalavitra ny fanjakan’Andriamanitra mampisy fahasamihafana.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...