28 ôktôbra 2023 — Masindahy Simôna sy Joda, Apôstôly — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)

I Jesoa nifidy ny Apôstôly ro ambin’ny folo lahy, ary tamin’izany andro izany dia lasa nakany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina izy ao amin’ny andininy faha-12. Ary noho ny maraina ny andro dia nantsoiny hanatona azy ny mpianany ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy izay nataony hoe Apôstôly, tanisain’i Lioka eo avokoa moa ny anaran’izy rehetra ireo ao amin’ny andininy faha-13 katramin’ny faha-16.

Voalohany, raha mahamarika isika dia fahazarana sy fomban’i Jesoa ny mitokana mivavaka rehefa misy zava-dehibe kasainy hatao ny ampitso, dingana iray lehibe eo amin’ny asan’i Jesoa tokoa mantsy ny fifidianana ireo izay hiara-miasa aminy. Faharoa, mampifandray ny asany amin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny Testamenta Taloha ny nifidianany ny isa 12, ireo mpianatra 12 no misolo tena ny zanak’Israely vaovao.

Tena tsara halain-tahaka ny fanaon’i Jesoa eto, ianao koa rahefa misy fanapahan-kevitra goavana horaisina eo amin’ny fiainanao, dia mila mitokana maharitra mivavaka amin’Andriamanitra ianao, Izy hanome hery, hanolo-tsaina, amin’izay tokony atao rehetra. Efa tantara mipetraka ny an’ireo roa ambin’ny folo lahy fa ankehitriny kosa dia isika indray no nofidian’ny Tompo hanohy ny asa. Koa raiso ny ampinga ary alao hery.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...