Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 19-22)

Ny Apôstôly no fanorenana nandrafetana anareo.

Ry kristianina havana,
tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo,
fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina
sy isam-pianakavian’Andriamanitra;
ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo
ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro.
Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara,
mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo;
ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo
ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka,
ny andro milaza amin’ny andro manaraka,
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony:
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-16)

Nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo i Jesoa, ka nomeny anarana hoe Apôstôly.

Tamin’izany andro izany,
dia lasa tany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera,
sy i André rahalahiny
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Joda rahalahin’i Jakôba,
sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...