31 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

Ny fanjakan’Andriamanitra no tanjon’i Jesoa sy nimatimatesany. Saro-takarina izy izany ka fanoharana no entiny mampianatra azy. Anisan’ny fomba iray hampitana fampianarana ny fanoharana ka izay mihaino no mandinika any am-pony sy manaiky tsy terena fa araka ny fieritreretany.

Tahaka ny voatsinampy sy ny lalivay ny fanjakan’Andriamanitra. Kely eo am-panombohana fa mandaitra tsara satria manana ny heriny ao aminy. Tahaka izany i Jesoa sy ireo Apôstôly tany am-boalohany; vitsy sy kely fa nanana ny heriny ka mahenika izao tontolo izao ankehitriny ary mahavonjy mandrakizay.

Izany koa no tsy maintsy fiainantsika ara-pinoana: tsy miferinaina hoe “ka izahay vitsy, ka izahay kely…”. Tsy ny hamaroana na ny habe no inona fa ny heriny ao anatiny sy ny fahatokiany, tsy mivatravatra anefa fa mandaitra avy ao anatiny, mahaova ny aty fon’ny olona, mahataona ny olona rehetra sy manitatra ny fanjakan’Andriamanitra ho an’ny taranaka mifandimby. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...