Alakamisy 12 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny fotoam-pamonjena.

0 : 00

Tsapan'i Kristy fa nisy tokoa ny tsy fitoviana tamin'ny fotoan'androny : manan-karena sy mahantra. Nisy ny tsy fahamarianana sy ny tsy rariny : ambony latabatra sy mitsindroka amin'ny tany. Izay nahatonga azy hanao fanoharana mampandinika eto, ary misarika ny saintsika mba hamakafaka izay endriky ny tsy fitoviana eny anivon'ny fiarah-monina eny Izy. Tsy ho an'ny Farisianina ihany ny fampianaran'i Kristy eto, fa ho antsika ankehitriny ihany koa, indrindra indrindra isika mamakivaky ny Karemy fibebahana sy fandinihan-tena izao. Mandefa hafatra ho antsika Izy, mba tsy ho latsaka amin'izany toetra manavakavaka izany ihany koa isika.

Tsy maintsy sokafana ny maso mba hijery ireny tsy fitoviana ireny, ary amin'izao vanim-potoan'ny Karemy izao no fotoana hiadiana amin'izy ireny mba tsy hisy endrika fifanilikilihana na fifanambaniana amin'ny samy olombelona. Tsarovy fa hoy ny ohabolan'ny Ntaolo hoe : "Ny soa atao levenam-bola, ary ny ratsy atao kosa, loza mihantona". Ny fiainana eto an-tany dia tsy ho anao samirery fa ho an'ny besinimaro, ary izay fitoviana izay no naharian'Andriamanitra antsika, hiaina ao anatin'ny fahasambarana, hiaina ao anatin'ny fanantenana sy ny fiadanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...