19 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Betsaka ny lesona azo tsoahana avy amin’ity fanoharana ity, fa azo raisina ao anatin’izany ny fitiavan’Andriamanitra antsika olombelona. Tia antsika Andriamanitra satria sahy manankina amintsika olombelona nohariny ny hareny hontantanantsika; tiany ho mpiombona antoka aminy tanteraka isika olombelona amin’ny fampiroboroboana ny Fanjakany, fa tsy ho mpanompo na mpitazana fotsiny akory, na mpisitraka fotsiny.

Noho izany, mila zanaka vonon-kiara-miasa aminy Andriamanitra; mila zanaka azo anankinana andraikitra amin’ny fanitarana ny fanjakany eto an-tany, fa tsy sanatria olombelona mihevi-tena ho mpiasany mandrakariva na sanatria hihevi-tena ho andevo amim-pahatahorana sy mahatsapa tena ho voateritery amin’ny fanatanterahana ny sitrapony.

Misy vokany roa samy hafa eo amin’ireto mpanompo ireto ny fahazoana izany andraikitra ankinin’Andriamanitra amin’izy ireo izany. Avy hatrany dia nikatroka tamin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra iretsy mpanompo nahatsapa fa mpiara-miombona antoka aminy ireo. Fa hakamoana sy hakanosana ary fahatahorana kosa no nasetrin’ity mpanompo farany. Samy nomen’Andriamanitra ny talenta tandrify ny fahafahany ny mpanompo tsirairay, izany hoe tian’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny fanitarana ny fanjakany eo amin’ny toerana misy antsika isika, na inona na inona saranga sy volon-koditra, na inona na firy taona isika. Mitaky firotsahana fa tsy kobaka am-bava fotsiny ny fanatanterahana an’izany, mila fahafoizan-tena maimaim-poana ary mila fihafiana ihany koa. Fa fatiantoka sy fahantrana ary fanimbana ny ho avin’ny tena kosa ny tsy fahaizana manararaotra an’izany fahasoavana mariky ny fitiavan’Andriamanitra antsika izany.

Farany, mampianatra antsika hanao dingana lehibe eo amin’ny fiainana andavanandro ihany koa ity fanoharana ity, satria tsy ampy velively ny mionona fotsiny amin’ny tsy fanaovana ny ratsy, tahaka ny nataon’ity mpanompo farany, fa irin’Andriamanitra hanao ny soa sy ny tsara hatrany hatrany isika, toy ny fahavitrihana nasehon’ireo mpanompo roa voalohany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...