Vakiteny voalohany

Boky Ohabolana (Ohab. 31, 10-13. 19-20. 30-31)

Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy.

Iza no mba mety mahita vehivavy mahery fo?
mihoatra lavitra noho ny an’ny voahangy ny tombany.
Matoky azy ny fon’ny lahy,
ary tsy mba handao azy ny tombony miditra.
Soa no ataony aminy, fa tsy mba ratsy,
amin’ny andro rehetra iainany.
Mamory ny volon’ondry aman-drongony izy,
dia miasa an-kafaliana, amin’ny tanany.
Mandray ny fihazonam-bohavoha ny tanany,
ary mihazona ny ampela ny rantsan-tanany.
Manatsò-tanana amin’ny ory izy;
ary mamela-tanana amin’ny mahantra.
Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy,
fa ny vehivavy matahotra ny Tompo ihany no hoderaina.
Aoka ny vokatra avy amin’ny tanany homena azy;
ary aoka hitory fiderana eo am-bavahady ny asany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 127, 1-2. 3. 4-5

Mba sambatra izay matahotra ny Tompo sambatra izay matoky, mino Azy.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao: solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra iainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6)

Aoka ny andron’ny Tompo tsy hahatratra anareo tahaka ny mpangalatra.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:

“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”

iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohòka,
ka tsy ho afa-mandositra izy.
Ianareo anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo,
ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika, na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Noho ianao nahatoky tamin’ny kely dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Nisy lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy.
Ny anankiray roa,
ary ny anankiray iray,
samy araka ny fahaizany avy;
dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany,
ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa, ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa,
dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho’.

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao’.

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray
ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anatin’ny tany ny talentanao:
ka indro averiko aminao ny anao’.

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahàfako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rehefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo an’ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vonon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify!’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...