20 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)

Karazan’olona telo no taterin’ny Evanjely antsika eto araka ny tantaran’ny fahasitranan’ity jamba tao Jerikao ity. I Jesoa sy ireo mpanara-dia azy ary ity jamba mipetraka eo am-bavahadin’ny tànana. Samy manome fampianarana antsika avokoa ny toetra nasehon’izy ireo amintsika.

Mampianatra antsika hahay hahatsapa ny fijalian’ny hafa i Jesoa Kristy eto, na inona na inona zava-mihatra amintsika. Hiakatra hankany Jerosalema Izy eto, handeha hiatrika ilay fandaharan’Andriamanitra ny amin’ny tsy maintsy hijaliany sy ny hahafatesany. Tsy nanakana Azy tsy hanao ny soa izany, tebiteby nahazo Azy izany. Mila mitandrina isika, sao isika manara-dia an’i Kristy indray no an’isan’ireo manakana ny sahirana sy ny mijaly hanandram-peo amin’Izy Tompo. Sanatria tsy ho isika kristianina ireto no manampim-bava na koa manakona ny mason’ireo olona maniry fatratra ny hahita sy hifandray amin’Andriamanitra arahintsika.

Mampianatra antsika tsy ho menatra ny hitaraina sy hitalaho amin’Andriamanitra mahakasika ny zava-manjo antsika ity jamba tao Jerikao ity. Tsy manakana antsika tsy hivavaka ny kilema sy ny aretina mahazo antsika. Farany, aoka ny fahasalamana feno no angatahina amin’Izy Tompo, izany hoe fahasalaman’ny vatana sy fanahy : “mamindrà fo amiko ry Tompo !”; “Mba hahiratra aho ry Tompoko”.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...