21 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)

Mampianantra antsika hitady an’i Jesoa ny fihetsika asehon’i Zake, lehiben’ny mpamory hetra eto. Mpanan-karena izy, fa nahagaga fa mbola misy zavatra tsy ampy aminy, toa manintona azy fatratra ny te hahafantatra misimisy kokoa an’i Jesoa. Azo heverina fa na dia nanan-karena aza izy, toa tsy nahasakana azy ny tsy hihaona amin’i Jesoa izany harena nananany izany. Natosiky ny faniriana izy ka tsy nahalala henatra sy vavam-bahoaka ka dia nianika hazo hahafahany hitazana an’i Jesoa.

Tsy nampoiziny ny zava-nitranga, fa i Jesoa ilay niriny ho hita no indro mampanasa azy ho ao an-tranony. Tsy niandry fotoana akory i Zake fa avy hatrany dia nanaiky ny handray an’i Jesoa ao an-tranony sy naneho hafaliana lehibe tokoa, toa zazakely nahazo fanomezana efa nampoiziny hatry ny ela.

Nanova ny fiainan’i Zake ny fidiran’i Jesoa tao an-tranony, koa nasehony tamin’ny alalan’ny fizarana ny an-tsasa-pananany ho an’ireo mahantra izany, izany hoe nasehony tamin’ny alalan’ny fahafoizana ny vola aman-kareny satria nahatsapa nahita raki-tsoa sarobidy izy. Toa nampianatra azy hikatsaka ny rariny sy ny hitsiny ny fidiran’i Jesoa tao an-tranony. Asaina haka tahaka an’i Jesoa isika rehetra izay tsy sasatra ny manara-dia sy mandray azy isan’andro vaky amin’ny alalan’ny Teniny sy Vatany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...