27 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Aroso amintsika amin’ity andro ity, i Jesoa mipetraka eo amin’ny fandatsahan-drakitra ka manopy ny masony amin’izay atao ao. Tsy mitsahatra manopy maso antsika tsirairay avy mihitsy koa Izy hatramin’izao, ary tsy eo amin’ny fandatsahan-drakitra ihany fa amin’izay ataontsika rehetra mihitsy. Andriamanitra Izy ka mahalala zavatra rehetra, eny hatramin’ny ao am-po tsy miloaka aza. Fa tiany isika ny hamboraka aminy izany. Asakasak’izay manafina.

Miavaka ity sombina Evanjely ity satria tsy ny teny loatra fa ny fihetsika no jereny dia ny an’ireo mpanan-karena sy ny an’ilay mpitondra tena. Tsy nolanjainy na nafatrany tamin’ny habetsany fa ny fomba nentiny nanao izany: ny fomba fanolorana azy, ny toe-tsaina enti-manome. Mahakasika ny fandatsahan-drakitra eto ny resaka kanefa maneho ny maha izy azy ny fomba fanaovany izany. Mety ho toa antsika koa izany. Rakitra eto midika ho fanolorana atao amin’Andriamanitra. Misy ny manolotra manontolo, ao ny ambimbavany, misy koa tsy manao. Misy mantsy rehefa hanao rakitra any amin’ny Eglizy dia lasa aloha manakalo vola aloha ka izay kely indrindra no arotsaka sady izay indray aforiporitra be, ny an’ny sasany aza moa tapahina roa tsotra izao ka ny ilany atao amin’ny voalohany, ny ambiny amin’ny manaraka. Misy ihany koa rehefa hiasa na handray anjara litorjia tsy maika fa rehefa hanisa rakitra kinga ery ka manao lava tanana akanjo hanafenana izay angalarina na mody mandatsaka hitsiponana, ka atao ampaosy ny vaventy, ao ireo lehibe no manao ny ratsy fanaony ka mifatratra any amin’ny ankizy ny rihitra sy ny endrikendrika, sy ireo fihetsika ratsy rehetra fanao. Mamoafady izany eo anatrehan’Andriamanitra. Tsarovy fa izay rehetra manao ny toy izany, toy ny mangalatra izay an’Andriamanitra dia tsy ho afa-maina ety an-tany mihitsy, ary raha sanatria aza afaka eto tsy maintsy hiatrika Ilay tena Marina any aoriana any ka amin’izay vao ho loza.

Misy koa tsy mivavaka fa tsy manana rakitra, kanefa rehefa zavatra hafa mahita vola foana. Efa ho an’Andriamanitra avy no mbola kahihitra. Misy koa anefa ny mandrotsaka be mba hanaronana ny ratsy fanaony. Samy tsy mety avokoa izany rehetra izany. Atolotra an’Andriamanitra io ho fandraisana anjara amin’ny asan’ny Eglizy, noho ny soa nomen’Andriamanitra antsika nandritra ny herinandro ka tsy tokony hiroa fo isika manao azy. Tsarovy mandrakariva ny hoe: “Izay manolotra an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.” (2 Kor 9, 7b) sy ny hoe: “Sambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asa 20, 35). Tsy asa very maina sanatria izay hatolotra an’Andriamanitra fa valiany soa mandrakariva eo amin’ny fiainana. Araka ny hirantsika hoe: “Izay manome sy mizarazara ny kely an-tanany ho an’ny hafa dia mihary lova soa izay tsy mety simba ka Sambatra!”

Raha ho an’ny olon-tiana no anolorana zavatra dia ho kahihitra ve? Eto tsy olon-tiana fotsiny fa Izy Ray Andriamanitra izay tia antsika sady Raintsika. Mahereza e!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...