28 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Mampianatra antsika ny amin’ny farandro i Jesoa amin’ity Evanjely ity. Isan’ny nireharehan’ny Jody tamin’izany ny Tempoly satria voaravaka vato tsara sy sarobidy, kanefa hoy i Jesoa: “Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.” Tsy ny Tempoly trano ihany anefa, fa eo koa ny vatantsika izay tempolin’Andriamanitra ka karakaraina sy kojakojaina fatratra, asiana izao sy izao mba ho manja sy ho tsara kanefa tsy maintsy ho rava avokoa, ho lasa vovoka. Hitantsika izany tamin’ny fotoanan’ny famadihana ireny fa misy olona malaza be, tsy tehafin-dalitra, nanana ny naha izy azy nefa efa lasa vovoka ankehitriny. Hoy ny Salamo faha-48: “Ny harenan’ireny nankaiza avokoa? Tsy maintsy navelany ho lovan’ny hafa? Naniry izy ny honina mandrakizay, kinanjo ny anarany sisa tavela”. Ka izay heverintsika ho tsara sy meva eto amin’ity fiainana ity, dia ho rava avokoa ka tsy azo ianteherana. Tsy midika akory izany fa tsy ho karakaraina izy ireny: tsia fa atao araka izay tratra ny fikarakarana azy fa tsy ianteherana kosa, na ho tompoina fa manambany an’Andriamanitra izany ka tsy mety. Raha tsaroantsika mandrakariva fa misy farany ny zavatra rehetra dia tsy hiavosa ny fahotantsika fa hitsinjo izany farany izany. Tsy iandrasana hoe rahoviana fa mila mivonona mandrakariva. Tsy ny rahampitso na rahafakampitso no mahamaika fa aoka ho vonona foana! Amin’izay tsy hanjehy ny andro ho lava isika na hanao izay danin’ny kibo, na impiry ho tanora na koa hoe: mbola rahovina re izany e?

Ankoatra izany, basy atifi-kavana ny an’i Jesoa ka tonga dia arangarangany: “Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro, ka aza manaraka azy”. Saingy mbola misy voafitaka ihany hatramin’izao, satria miha betsaka ny mpisandoka ankehitriny ka misy manaraka azy ireny; tsy mahari-boakena, tsy mahatanty ny mena miraviravy, sahy manipaka ambava-fo ny Eglizy Reny, mitsipa-doha ny lakana nitana, indrisy. Voa avy any vao fay. Mora fitahina mantsy isika satria maikan’ny eo no ho eo, ny anio dia anio, ny izao dia izao, tsy maharitra. Saika manodoka anefa ireny rehetra ireny ka tsy azo ianteherana. Fa na miseho aza izany rehetra izany dia tsy mbola amin’izay ny farany, araka ny lazain’i Jesoa eto. Koa mahaiza isika mamantatra tsara ny zava-mitranga sy miaina tsara ny maha kristianina antsika dia tsy hanan-tahotra ny amin’izany rehetra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...