30 nôvambra 2023 — Masindahy André, Apôstôly — Fety — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Mankalaza ny fetin’i Masindahy André Apôstôly ny Eglizy anio, izy ilay rahalahin’i Simôna Piera. Mahakasika ny niantsoan’i Jesoa azy ireo sy ireo Apôstôliny voalohany ny Evanjely naroso tamintsika teo. Nahita olona mirahalahy teny am-pitsangatsanganana i Jesoa ka nantsoany: i Piera sy i André rahalahiny, teo am-perinasa mihitsy ry zareo. Araka izany, tsy nitsororoka avy any an-danitra tsy akory ny Apôstôly na koa noloarana avy anaty tany fa olona toa antsika rehetra ihany. Saingy nahazo fiantsoana manokana ka lasa niavaka. Eto izao mazava mihitsy fa olona am-perinasa no nantsoiny fa tsy olona midonanam-poana. Ary tsy asa antselika fa tena fanaon’izy ireo mihitsy: “mpanarato izy ireo”. Ka raha mpiasa no antsoina dia midika fa misy asa hafa ihany koa miandry. Tsy mampipetrapetraka na mampidonaka araka izany ny antson’i Jesoa fa mila mirotsaka sy mandray anjara hatrany. Taon-jezika an-kady ny asa fanompoana ao amin’ny Eglizy ka aina no fetra. Aoka isika tsy hisikim-ponitra ny amin’izany.

Araka ny fitantaran’i Masindahy Matio azy dia teny tokana ihany no niantsoan’i Jesoa azy ireo ka nahababo ny fony sy naharesy lahatra azy ireo nanaraka Azy, tsy nisy ady varotra na fangataham-panazavana ela be fa tonga dia nandeha, eny na tsy azo tsara aza izay anirahana satria mpanarato trondro moa no lasa mpanarato olona. Mety ho mihatra amintsika koa izany ankehitriny: tsy ho azo tsara ny iraka ampanaovina eny am-piandohana fa mety ho zavatra tsotra no nahababo ny fo tany am-boalohany fa mihamazava tsikelikely kosa ny votoatin’ny antso sy ny iraka miandry avy eo: “eo am-pandrasana tokoa mahita ny atiny”, hoy ny fitenintsika.

Tsy voatery ho olon-tokana ihany koa no antsoiny fa eto izao mpiray tampo na i Piera sy André na i Jakoba sy i Joany. Efa notakian’i Jesoa hatrany am-boalohany hay ity fiarahan-dia ity. Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina, tsara ny miara-dia noho ny miolonolona fa raha very hevitra misy manampy, raha faly misy hifampizarana. Koa tsy tokony ho sakana ho antsika ireny mpiray tampo antsoin’Andriamanitra ho pretra sy ho relijiozy ireny. Firifiry moa izy ireny ankehitriny. Tolorana fahasoavana manokana ny fianakaviana mahafoy azy ireny. Aza kahihitra manome sy mahafoy ho an’Andriamanitra izany.

Farany: nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ary nanaraka Azy: tsy maintsy mahafoy ny asa fanao raha te hanara-dia Azy, eny hatramin’ny fampidiram-bola aza sy ny famelomana ny fianakaviana. Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Aoka haniry hiakatra toy ny rambon’osy isika fa tsy haniry hidina toy ny rambon-tsoavaly. Tsy maintsy afoy izay tiana indrindra, ary afoy miaraka amin’ny vava fa tsy manao ampitso ampitso lava. Hatramin’izao, tsy mitsahatra miantso antsika Izy Jesoa ka aiza ho aiza isika amin’izany: mamaly ny antso sa manentsi-tadìny amin’izany? Tena mahafoy sa mbola mifikipikitra amin-javatra hafa any? Na koa voafatotra etsy sy eroa ? Mandeha avy hatrany sa mbola be fialan-tsiny ? Mahereza daholo!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...