1 desambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Na zoma voalohany aza ny andro dia mamaramparana ny taonan’ny Eglizy isika izao ka mampitodika bebe kokoa amin’ny farany ny tenin’Andriamanitra. Manana heviny roa ny hoe: “akaiky” dia hoe antomotra, mbola ho avy fa tsy ho ela intsony sy hoe: eo anilany eo fa tsy mbola any tsy akory. Koa aoka isika tsy ho diso hevitra fa hahay hamakafaka tsara. Ny hoe: “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra”, tsy midika avy hatrany fotsiny hoe: ho avy tsy ho ela na kely sisa, raha tsy izany diso ny tenin’Andriamanitra satria efa ho roa arivo taona izao mbola averina foana hoe: akaiky, nefa tsy mbola tonga ihany. Koa midika koa hoe tsy mila mandeha lavitra isika fa efa akaikintsika io fanjakan’Andriamanitra io kanefa mbola tsy any, tsy tafiditra any isika. Araka izany, eo anivontsika, eo anilantsika eo ny fanjakan’Andriamanitra ka mila mandray azy isika. Fitiavana Andriamanitra ka izay miaina ny tena fitiavana marina dia efa miaina anatin’io Fanjakan’Andriamanitra io sy manitatra azy sahady. Fanjakan’ny fitiavana ny fanjakan’Andriamanitra ka irìny isika olombelona rehetra no hiaina izany sy ho tafiditra ao. Fa ny mifanohitra amin’izany, izay manohitra ny fitiavana, miaina fankahalana sy fisarahana, valifaty ny lolom-po, ny fifandrafesana, sy ny toy izany dia manalavitra io Fanjakan’Andriamanitra io. Ka raha tsy mitandrina, izany hoe raha tsy mibebaka dia tsy ho tafiditra any mihitsy ka ho loza ny hiafarany.

Hoy ihany i Jesoa manohy: “Tsy ho lany ity taranaka ity ambara-pahatongan’izany rehetra izany”. Mbola tsy tonga izany ka izany no mahatonga antsika eto ankehitriny. Maharitra mantsy Andriamanitra ka tiany hibebaka isika olombelona fa isika no malailay fonosana toy ny fary matetika. Raha zavatra hafa, maika sy kinga ery isika fa raha momba an’Andriamanitra tena maisatra sy malaina mihitsy. Izao anefa, “Ho levona ny lanitra sy ny tany fa ny teniko tsy mba ho levona”, hoy ihany i Jesoa. Izany hoe mahery lavitra sady ambony ny Tenin’Andriamanitra ka maharitra mandrakizay, fa izao rehetra izao mora levona. Mahagaga tokoa fa izao voary rehetra izao manam-petra ihany, tsy maharitra, mora levona; jerena anefa toa mirentirenty sy mahafinaritra avokoa. Ny Tenin’Andriamanitra ihany no maharitra mandrakizay. Ankoatra ny voary, ireo asan-tanan’ny olombelona vaoakaly sy tsara rindra ireny dia mbola hikoro ihany koa, isika olombelona ihany koa 70 taona no anjarantsika eto an-tany fa izay matanjaka no 80, hoy ny Salamo (90, 10) fa ho vovoka ihany koa. Ka tsy aleo ve mihavana sy mifankatia, tsy hifanaratsy fa hifanasoa, tsy hanangam-pahavalo na hifandrafy fa ho mpiray tampo marina tokoa, tsy hifanenjika fa hifampitantana, hiara-dia ho mendrika hiara-miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra! ‘Ndao àry e!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...