2 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan’ny Zanak’Olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 34-36)

Mamarana ny taona litorjika isika amin’ity andro ity: ka mitohy ihany ny tenin’i Jesoa mampitodika antsika amin’ny farandro. Voalohany amin’izany Izy mampitandrina antsika amin’ireto zavatra ireto: fihinanan-doatra, fimamoana, fiahiana izao fiainana izao. Saika maharevo antsika avokoa izy ireo. Tsara ho marihina aloha fa i Jesoa tsy miteny hoe: aza mihinana na misotro fa ny diso tafahoatra tena manimba tokoa. Misy tokoa mantsy mitady vola ho an’ireo fotsiny ihany, tsy ampy anaovany izay danin’ny kibo aza izay azony ka mampanaram-batana amin’ny filàny, tsy mahalala onony intsony. Tsarovy fa mitarika amin’ny fahotana hafa koa izany ka loza! Eo ihany koa ny hoe fiahiana izao fiainana izao ka manadino mihitsy ny any an-koatra, vao mainka loza kokoa. Tsy hoe tsy hiraharaha ny fiainana fa misy hafa sy tsara lavitra kokoa any ambadika any, izay tanjona itodihana ka tsara ilofosana mandrakariva. Raha tsorina dia hoe: aoka isika tsy hanjehy ny andro ho lava, aza manao izay danin’ny kibo fa hiomana mandrakariva! Ho tonga tampoka mantsy ny farany, tsy hampandre mialoha. Tsy ho voan’ny tampoka izay tsara fiomanana.

Manolotra vahaolana àry i Jesoa: miambina ka voalohany amin’izany ny mivavaka mandrakariva. Tsy azo atao ambanin-javatra mandrakariva mihitsy izany fa adidy voalohan’ny kristianina, mpanara-dia an’i Kristy, mba ho tratrany mivavaka isika amin’ny fotoana iverenany. Fa etsy andaniny koa ny fanaovana am-pitiavana izay atao rehetra hikatsahana ny fanjakan’ny lanitra araka ny efa voalazantsika tamin’ity herinandro ity, farany ireo lalam-pitiavana atoron’ny Eglizy antsika rehetra toy ny firotsahana mandray andraikitra sy mijoro ho vavolombelony amin’ny sehatra misy antsika rehetra. Fiandohantsika Izy Jesoa ka aoka koa ho Izy ihany no hiafarantsika, raha tsy izany diso lalana isika ka ho very ary ho loza ny hiafarantsika. Angataho i Masina Maria reniny, sady efa natolony ho renintsika koa, hanampy antsika hahita izay lalan-kombana ny amin’izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...