3 desambra 2023 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)

Misantatra taona litorjika vaovao isika kristianina manomboka amin’ity andro ity, andro mampiditra antsika ao anatin’ny vanim-potoana Fiaviana. Fotoana omen’Andriamanitra antsika hanavaozana ny fiainana, hanavaozana koa ny tena manontolo mba hibanjinana ny ao aoriana dia ny fiainana mandrakizay. Noho izany, fotoana fiandrasana sy fiomanana ho antsika izao fotoana izao.

Manafatra antsika i Jesoa, tamin’ny Evanjely teo, hoe: “Mitandrema, miambena fa tsy fanantsika na ny andro na ny ora”. Ny fotoana isehoany sy ny zavatra hiseho amin’izany tsy azontsika hodina tsy hita; fa tsy maintsy hanehoana fahavononana mandrakariva kosa. Satria fotoana lehibe ho antsika indrindra izany fotoana izany, fotoana hiafaran’ny eto an-tany fa fotoana koa hiampitana any amin’izay maharitra mandrakizay. Ary fotoana koa hiandrasantsika ilay Tompo Mpamonjy, ho avy amim-boninahitra.

Izany rehetra izany no mitondra antsika, manentana antsika hanana toetra maneho fahavononana, hahatsiaro izay tokony hatao mba tsy ho sodrian-tory. Tsy hamela ny fotoana ananana sy ny andro iainana, handeha ho azy, fa hanao izay hahamendrika antsika eo anatrehan’ilay mpampakatra, hiombonantsika hasambarana tanteraka amin’Andriamanitra, toy nataon’ireo olomasina: izay nijoro ho vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy, naharitra tsy nivadika tamin’ny fanarahan-dia Azy, nitandrina ny teniny, niantra sy namonjy ny mpiara-belona, nanaiky ho mpanompon’ny olona rehetra. Raha fitinina, ny hoe: “miambena” dia vonona mandrakariva hanome izay ilain’ny Tompo, amin’ny fotoana rehetra ilany antsika. Noho izany, io ampahan-tsegodra, io minitra miverimberina tonga ora, andro, volana sy taona mifandimby io, no fotoana hivononana, hiambenana ary iandrasana an’Andriamanitra.

Rahefa misy ny maha variana dia adino ny zava-dehibe tokony hatao, tokony atrehina. Mety ho variana amin’ny fiainana isika, variana amin’izay hohanina, variana amin’ny adilahy etsy sy eroa, fa tsarovy kosa ny hiafarana. Hifarana izao tontolo izao, mbola hifarana ireo rehetra voalaza teo ireo, fa ny ao amin’Andriamanitra no haharitra mandrakizay; koa amin’izao fanombohana ny taona litorjika izao, enga anie mba ho endrika vaovao, toetra vaovao ary fiainana vaovao maneho fiambenana, araka ny tenin’i Kristy no ho hita ao amintsika tsirairay avy.

Jesoa ô, herezo ny fonay mino Anao, mba ho masim-piainana izahay, ho mpanompo mahatoky ary ho vonona hitsena Anao ilay ho avy, dia ho tafita soa aman-tsara any an-danitra tanindrazanay izahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...