Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 63, 16b-17, 19b ; 64, 2b-7)

Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina.

Ianao ry Tompo, no Rainay,
Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay.
Nahoana izahay, ry Tompo ô,
no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao,
ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao?
Miverena,
noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao!
Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina,
dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Endrey raha midina Ianao
dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra!
Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa,
manao toy izany, ho an’ny manantena azy,
afa-tsy Ianao.
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana,
izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao.
Fa izao,
tezitra Ianao, ary meloka izahay;
— sady efa ela no toy izany —:
hovonjena va izahay?
Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto;
ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto.
Malazo toy ny ravina avokoa izahay,
ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra.
Tsy nisy olona niantso ny Anaranao,
nifoha mba hifikitra aminao.
Fa nafeninao taminay ny Tavanao,
ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotanay izahay.
Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao;
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
tanimanga izahay,
ary Ianao no Ilay nanefy anay;
asan-tananao avokoa izahay rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 79, 2ad sy 3b. 15-16. 18-19

Mesia sy Mpamonjy, tongava faingana aminay. Hitondra ny fiainana, avia, avia re.

Mandrenesa, ry Mpiandry an’i Israely,
ry mpitondra an’i Jôsefa ho toy ny ondry.
Eny, fohazy ny herinao,
tongava hamonjy anay.

Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena,
mitsinjova avy any an-danitra,
jereo ilay foto-boaloboka,
karakarao ilay nambolen’ny tananao.

Ny tananao homba an’ilay olona fiaronao,
ilay zanak’olombelona omenao ny herinao.
Izahay tsy handao Anao intsony;
velomy izahay hiantso ny Anaranao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 1, 3-9)

Miandry ny fisehoan’i Jesoa Kristy isika.

Ry kristianina havana,
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Isaorako an’Andriamanitra mandrakariva ny aminareo,
noho ny fahasoavan’Andriamanitra nomena anareo ao amin’i Jesoa Kristy:
fa noho ny firaisanareo aminy,
tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo,
dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;
ary noho ny niorenan’ny Evanjelin’i Kristy eo aminareo,
dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo
amin’ny fahasoavana rehetra,
hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany,
mba tsy hanan-tsiny ianareo amin’ny andron’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Eny, mahatoky Andriamanitra
izay niantso anareo hiray amin’ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 13, 33-37)

Miambena, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny tompon-trano.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Mitandrema, miambena, ary mivavaha,
fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana:
tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny,
ka nandao ny tranony,
ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy,
dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.
Koa miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay hahatongavan’ny tompon-trano,
na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina,
fandrao tonga tampoka izy
ka tratrany matory ianareo.
Ary izao lazaiko aminareo izao,
dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...