4 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Ity Evanjely ity no maneho miharihary fa ny olombelona rehetra no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany mba hahazo ny famonjena, eny fa na dia ireo tsy mbola nahalala Azy aza, dia tarihany ho ao Aminy amin’ny alalan’ity Zanany, nanaiky ho tonga nofo, izay hiomanantsika indrindra izao. Tamin’i Jesoa nandalo, dia Kapiteny, manamboninahitra romanina no nanantona Azy sy nihanta taminy mba hanasitrana ny miaramilany izay eo ambany fahefany. Tsy mba olona nino an’Andriamanitra akory, fa nahare ny lazan’i Jesoa ary natoky fa afaka hanasitrana an’ity miaramilany izay malemy, izay tsy zanany na fianakaviany akory. Ary tsy nanahirana an’i Jesoa handeha ho any an-tranony akory koa, fa natoky tanteraka ny baiko omen’i Jeosa azy, hahasitrana ny an’ilay miaramilany. “Manonona teny iray ihany dia ho sitrana ny ankizilahiko”.

Ireo dingana nasehony ireo no niderain’i Jesoa azy ho manam-pinoana, finoana hita tamin’ny teniny, ny fihetsiny sy ny famonjeny ity miaramila eo ambany fahefany. Nohamafisin’ny Papa Benoit XVI io tamin’ny katesizy nataony, hilazany ny tena finoana. Hoy izy: “Ny finoana dia maninteraka ny tena sy ny fiainana manontolo; fotoana ifandraisan’ ny olombelona sy Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy ny finoana, vao manjary foto-pampianarana sy fitondran-tena ary fahaiza-miaina”. Atao ahoana tokoa moa ny ilazana fa manam-pinoana ny olona iray raha toa ka tsy hita amin’ny fiainana izany, amin’ny alalan’ny vavaka ataony ohatra, ny asa fitiava-namana, ny fanetren-tena, ny fitondran-tena sy ny fahaiza-miaina. Tokony hiteraka fomba sy fiaina vaovao mandrakariva ny finoana, fa izany no tsahivintsika sy ianarantsika ao amin’ity Kapiteny, manamboninahitra roamanina ity.

Vanim-potoan’ny Fiaviana izao, vanim-potoana hiezahana mba hahateraka an’i Krsty ao anatintsika, ao am-pontsika, ka hiainantsika fiainana vaovao. Koa hamafiso ny finoantsika, havaozy ho lalim-paka, mba ho isika ankehitriny no ho kapiteny vontom-pinoana, hatoky an’Andriamanitra sy ho be fiantrana ny madinika tsy mba manan-kianteherana.

Jesoa ô, tsidiho hatrany ny fonay, mba hirehi-pitiavana Anao sy ny namanay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...