9 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

Vao manomboka ny vanim-potoana ny fihaviana isika dia efa anehon’Andriamanitra sahady ny vokatry ny misterin’ny fahatongavana ho nofo ny Zanany. Asa nanirahan’ny Ray an’i Jesoa, ireo rentsika tamin’ny Evanjely teo ireo. Asam-pamonjena efa nampanantenainy tamin’ny alalan’ny mpaminany: “Fa ianao ry vahoakako, tsy hitomany intsony ianao, raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo, raha vao mandre anao Izy dia hamaly.” (Iz 30, 19). Ny fahatongavan’ny Zanany ho nofo no hitondra fahasitranana sy famonjena ho an’ny vahoaka.

Nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra i Jesoa, nampianatra, nitory ny fanjakan’Andriamanitra, rentsika teo, nanasitrana ny marary sy ny rofy rehetra. Nanatanteraka izay nampangetaheta ny vahoaka Andriamanitra, nanafaka an’izay nampijaly azy ireo tamin’ny alalan’ny Zanany. Niara-nitoetra taminy, niara-dalana toy mpiandry mahatoky, tsy namela ny ondry ho irery, tsy manam-piahy. Ny fon’ny Ray fatra-pitia sy mpangoraka no nasehon’i Jesoa an’ireo vahoaka, hananany toky sy hahalalan’ny vahoaka ny maha Ray an’Andriamanitra. Ireo asam-pamonjena ireo anefa tsy ho an’ireo teo alohantsika ihany, fa ho an’ny olombelona rehetra manerana izao tontolo izao. Izany no antony iantson’i Jesoa ny Mpianany, hanohy izay nataony, havonjy ny olombelona rehetra.

Miandradra famonjena isika ankehitriny, miandry fanavotana, miandry fanasitranana; miomana handray ilay Mpamonjy nirahin’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao, anjarantsika ny miezaka hahatanteraka izany isan’andro; anjarantsika ny maneho fahavononana handray ny Mpamonjy isan’andro, mba hahafaka antsika tanteraka amin’ny fahoriana sy tebiteby aterak’izao fiainana izao.

Jesoa ô, tonga hamonjy anay ianao, koa aza ela fa very izahay raha tsy eo Ianao. Ombay fahasoavana mandrakariva izahay mba hampamokatra ny voa ho amin’ny fiainana mandrakizay izay nafafinao tamin’ny fahatongavana ho nofo. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...