31 desambra 2023 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Ry mpihaino hajaina, mankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika amin’ity alahady ity, tao aorian’ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Rahefa mankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika dia mitodika any amin’i Josefa, i Maria ary i Jesoa. Fianakaviana Masina satria, fianakaviana tsy nandeha araka ny fihevitr’olombelona fa nizotra tamin’ny fihevitr’Andriamanitra. I Josefa nizotra tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra ka tsy nisalasala hampakatra an’i Maria ho vady. I Maria izay nanaiky ho renin’ilay Mesia, “aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao”. I Jesoa izay nanaiky ny Ray ho tonga olombelona. Nanaiky tanteraka tamin’ny fitondran’Andriamanitra. Mba manao ahoana re ny fianakaviantsika ankehitriny? Firifiry no mbola ao anaty tokantrano imaso, mijanona tsy mandray ny tso-dranon’Andriamanitra amin’ny firosoana amin’ny sakramentan’ny mariazy.

Ny Fianakaviana Masina dia fianakaviana nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitantanany. Noporofoin’i Simeona mpaminany sy Anna fa ny fiainan’izy ireo dia nizotra tamin’ny fikasan’Andriamanitra mihitsy. Hoy mantsy i Simeona: “Ankehitriny ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny jentily sady voninahitr’Israely olonao.” (Lk 2, 29-32).

Tsy ny fianakaviana amin’ny ankapobeny no manamasina ny fianakaviana, fa ny isam-batan’olona mihitsy no maneho ny fahamasinan’ny fianakaviana. Noho izany ny tsirairay na ray aman-dreny na zanaka, dia samy manana ny andraikitra sy ny adidiny tandrify azy avy. Ambaran’ny Evanjely anio fa ohatra ho antsika i Josefa sy i Maria izay nanatanteraka ny lalàna Jody, ny fanolorana an’Andriamanitra sahady ny menaky ny aina na dia mbola kely aza. “Ny lahy voalohan-teraka rehetra dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo ary mba hanatitra fanatitra domohina roa na zana-boromailala roa”.

Samy teo na i Josefa na i Maria, fanehoana firaisan-tsaina sy fiombonana midika fifankatiavana velona asehon’ny ray aman-dreny. Tsy mahalala na inona na inona ny zazakely amin’ny maha zaza azy, fa efa zarin’ny ray aman-dreniny sahady amin’ny fiainana: fahavizanana noho ny làlana, fizaran’ny zaza sahady amin’ny fofona sy feon’ny olona mamonjy ny Tempoly. Misy araka izany ny fanabeazana sy ny andraikitry ny ray aman-dreny izay, tsy maintsy ampitain’izy ireo amin’ny zanany. Antoky ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny fianakaviana, hoy ny Papa Léon XIII. Raha masina sy salama izy dia ho tahaka izany koa ny fiaraha-monina.

Ry Ray ô, misaotra amin’ny fanomezanao anay ho modely ny Fianakaviana Masina izay nivelaran’ny zanakao tety an-tany izahay. Jesoa, Maria, Josefa, Omeko anareo ny foko sy ny fanahiko ary ny aiko. Aoka ho faty eo ampelantananareo aho. Arovy amin’ny fiadiana aina aho. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...