20 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...